- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversBekily : Zandary naratra, mpanara-dia maty

Bekily : Zandary naratra, mpanara-dia maty

Omaly maraina no nitranga ny fifandonana teo amin’ny zandary niampy fokonolona nanara-dia sy ny dahalo, tao amin’ny tanàna antsoina hoe Benato. Zandary iray kilasy voalohany no naratra voan’ny bala teo amin’ny feny sy ny tànany. Iray tamin’ireo sivily mpanara-dia kosa no maty teo am-piadiana tamin’ireo malaso. Nentina hopitaly ilay zandary ary tsy misy ahiana ny ainy raha araka ny vaovao avy any an-toerana. Tamin’ireo malaso dia nisy maty sy naratra koa saingy tsy navelan’ireo namany teo an-toerana fa nentina nitsoaka. Tranga toy izao dia mbola manaporofo fa misy ny ady anaty akata ary tsy ankitsitsy, any amin’ny toerana lavitra andriana any. Miady aman’aina tanteraka ny olona sy ny mpitandro ny filaminana isan’andro.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici