samedi, avril 19, 2025
AccueilFaits-DiversDistrikan'Ambohidratrimo : Homena tosika manokana ireo kaominina miasa tsara

Distrikan’Ambohidratrimo : Homena tosika manokana ireo kaominina miasa tsara

Hahazo tombony manokana ny distrikan’Ambohidratrimo manomboka izao. Homena tosika manokana ireo ben’ny tanàna izay hita fa miasa tsara mba hampandrosoana ny kaominina iadidiany. Fanambin’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitatanambola, ramatoa Rabarinirina Rindra Hasimbelo  io nandritran’ny lanonana fametrahana samboady ireo ben’ny tanàna 24 mandrafitra ity distrika ity ny zoma 11 aprily teo. Amin’ny maha minisitra mpiahy an’Ambohidratrimo azy no nilazany izany ka nanamafisany fa fotoana izao hiatrehana ny fampandrosoana tena izy fa efa vita tamin’ny fampielezan-kevitra ny adilahy pôlitika. Efa tafatsangana ao ao anatin’ity distrika ity ihany koa ny Fikambanan’ireo ben’ny tanàna ao an-toerana, ka andriamatoa Feno Raherimanantsoa, izay ben’ny tananan’ny kaominina ambonivohitra Ambohidratrimo no voafidy ho filohan’izany. Ity farany izay nanasongadina fa manomboka izao dia tsy tokony ho baikon’ny loko pôlitika intsony ny rehetra fa ny fampandrosoana no tanjona ary vonona izy ireo ny hanatanteraka izany. Ity lanonana ity moa dia notronin’ireo loholona sy solombavam-bahoaka avy amin’iny faritra iny ary ireo tompon’andraikim-panjakana sivily sy miaramila maro.

T.M.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici