« Efa ikoizana amin’ny resaka fampihorohoroana sy ny fanafihana mitam-piadiana izy ireo … », hoy ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena. Omaly tokoa, dia nisy ny fifandonana tamin’ireo pôlisin’ny hery vonjitaitran’ny kaomisaria sy ny andian-jiolahy mitam-piadiana tao an-drenivohitry ny faritra Atsimo Andrefana tao. Vokatr’izay dia roa tamin’ireo olon-dratsy no lavo raha tafaporitsaka teo anatrehan’izay kosa ireo namany, raha ny fampitam-baovao hatrany.
Azo lazaina tokoa fa mitodika any amin’ny tapany Atsimon’ny nosy ny mason’ny mpanara-baovao amin’izao amin’ny raharaha mafampana rehetra any an-toerana. Etsy andanin’izay ihany koa dia tsy mikely soroka ireo mpitandro filaminana hamongotra sy hisoroka ireo ambana sy asa ratsy izay mety hiseho, toy ity nitranga tany an-toerana omaly ity. Raha ny loharanom-baovao azon’ireo pôlisy mantsy dia hoe misy andian’olona mikonokonona fanafihana any an-toerana. Nidina avy hatrany tany amin’ny toerana voalaza izy ireo saingy efa tifitra no niandry ireto farany avy tamin’ireo olon-dratsy. Raikitra teo ny fifampitifirana omaly maraina, ka io niafara tamin’ny nahalavoan’ireo jiolahy roa ireo. Azo teny amin’izy ireo ihany koa ny basy poleta roa sy ny bala 22, izay nokasain’izy ireo hanaovana fanafihana. Efa tsy zoviana tamin’ireo pôlisy moa izy roalahy ireto, izay voalaza fa samy jiolahy efa samy raindahiny avokoa. Eo am-pikarohana ireo namany kosa ny tompon’andraikitra amin’izao.
m.L