dimanche, avril 20, 2025
AccueilFaits-DiversAlasora : Tokantrano nahatratrarana rongony 62 gony

Alasora : Tokantrano nahatratrarana rongony 62 gony

Nahatratra 11 isa ireo gony lehibe ary 51 isa ireo gony kely. Izany dia samy feno rongony maina hatrany amin’ny tendakeliny avokoa, izay milanja eo amin’ny 865 kilao eo ny totaliny, araka ny fampitam-baovaon’ny pôlisim-pirenena. Ny sabotsy lasa teo tokoa, taorian’ny angom-baovao azon’ny teo anivon’ireo pôlisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina, dia lehilahy iray no voatery nosamborin’ireo mpitandro filaminana rehefa nahatratrarana ireo rongony, efa aman-taoniny latsaka ireo tao amin’ny tokatranony, teny amin’iny faritra Alasora iny.

Raha ny habetsak’ireto zava-mahadomelina ireto tokoa dia ankevitry ny efa mamongady « entana » mihitsy ranamana ity, fa tsy vitan’ireo mpivarotra « bômba » madinidinika ety amin’ny sisiny. Nisy nahita ny bizina hafahafa nataon-drangahy sy ireo « arrivage » amam-polony maro, napetraka tao an-tranony ireto, ka antony nampandrenesina avy hatrany ny pôlisy. Vantany vao nahare izany ihany koa ireo mpitandro filaminana avy hatrany dia nanao bemidina sy sarika am-pandriana teny amin’ny toerana voalaza ary nametraka ny paik’ady rehetra, tsy hitsoahan’ny tompon-trano. Mazava ho azy fa gony maro izany tsy hita afenina aiza ka dia noraisim-potsiny ingahy rehefa natao ny fisavàna.

script async src= »https://pagead2.googlesyndication.com/pagead/js/adsbygoogle.js?client=ca-pub-1196350691967754″ crossorigin= »anonymous »>

Nentina nogiazana avy hatrany moa ireto rongony marobe ireto, ary notanana natao famotorana tamin’io andro io kosa ilay lehilahy voasambotra. Omaly no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ary inoana marimarina fa nadoboka am-ponja avy hatrany. Heverina fa tsy hijanona eo amin’io ny fanadihadiana ataon’ireo mpitandro filaminana fa mbola hitohy : avy aiza ny « entana » ary iza avy ireo mpiray tsikombakomba ?

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici