dimanche, avril 20, 2025
AccueilFaits-DiversRN4 : Fanakanan-dalana, taxibrousse voaroba

RN4 : Fanakanan-dalana, taxibrousse voaroba

Fiara taksiborosy nasionaly kaoperativa  » Transroute, » avy any Antsohihy hihazo any Antananarivo no nosakanan’ireo jiolahy niisa enina nirongo fitaovam-piadina mahery vaika, teo amin’ny toerana atao hoe: Ambavahadintany, kaominina ambanivohitra Antanimbary, aty amin’ny disitrikan’i Maevatanàna ny Alahady faha 13 Aprily taona 2025 teo iny, tokony tamin’ny misasak’alina tany ho any, izany hoe teo amin’ny Pk 284+300. Ny angom-baovao hatrany moa nahalalana fa fiara taksiborosy niisa enina no niara nialao nanao  » Caravane » saingy nihodina ny teo aloha, rehefa nahita ny sakana vato sy hazo, ary taraiky teo ny fiara taksiborosy iray. Tamin’izay indrindra no nanararaotra ny dahalo, tamin’ny alalan’ny fandrobana. Vokany: lasan’ireo olon-dratsy ny finday, vola, firavaka, ary ny karapanondrom-pirenenan’ireo mpandeha sasantsasany, saingy tsy nisy kosa ny aina nafoy sy naratra. Tsara hatrany mampahafantatra fa efa nisy olona roa voasambotra, sady hanaovana fanadihadiana. Mbola ao anatin’ny farahan-dia hatrany moa ny Zandary sy ny vatan-dehilahy hatreto.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici