Nentanin’ny fahatokisana be loatra ity renim-pianakaviana no sady nentin’ny fitiavana rahateo, ka tsy nahatsikaritra akory ny zava-dratsy nataon’ity vadiny tamin’ity zanany vavy. Izy indray aza mandresy lahatra ny fiaraha-monina izay efa miezaka mampitandrina azy fa miraiki-po ity vadiny sy ireo zanany. Tsy naharitra moa ireo nahita fa nampilaza avy hatrany ny zandary. Teny amin’iny faritra Itaosy iny no nisehon’ity tranga, ary voatery nosamborina avy hatrany ity raikely tsy vanona ity.
Raha ny zava-nisy, efa naharitra herintaona teo ho eo no voararaotra ara-nofo ity ankizivavy 13 taona ity. Tsy eo matetika ny reniny, izay voalaza fa manao varo-mandeha ary mametraka ireo zanany tamin’ity vadiny. Efa maty ny rain’io zaza io ary nanambady tovolahy iray hafa ny reniny, ity raikely mpanolana ity. Nandray andraikitra avy hatrany ny zandary rehefa tonga teny am-poto-tsofin’izy ireo ny fitarainana mahakasika ity tranga ity ary niroso avy hatrany tamin’ny fisamborana ilay mpanolana izy ireo. Tamin’ny famotorana azy dia niaiky tanteraka ranamana fa nampihatra ny filan-dratsiny tamin’ity zana-badiny ity. Atolotra ny Fampanoavana moa ny raharaha, araka ny voalazan’ny zandary, aorian’ny famotoran’ny zandary.
m.L