Efa mahery ny 21 ny olona maty, nandritra iny faramparan’ny taona iny tany amin’ny kaominina Ambalaomby 75 km miala an’ny distrikan’ny Anosibe an’ala isan’ny lavitra indrindra ao anatin’ny distrika. Mitaraina ho fanimpanina ilay olona dia torana avy eo ary tsy velona intsony ka miafara amin’ny fahafatesana. Ny fasana any amin’ity toerana ity anefa, noho ny fomba, dia tokana ihany izay tsy maintsy vohaina in-droa indraindray ao anatin’ny andro iray rehefa mifanesy ny olona maty. Tsy misy dokotera mpitsabo any an-toerana amam-bolana maro izao taorian’ny nanesoran’ny fanjakana ilay efa tamàna tao an-toerana. Tsy mbola voamarina arak’izany ny fototry ny aretina araka ny fanambaran’ireo olona avy any an-toerana. Fa raha ny fahafantaran’izy ireo, dia taorian’ny fisian’ny fitrandrahana volamena tany an-toerana no niantombohan’ny fisian’ity aretina ity ; izay nanomboka tamin’ny 03 oktobra 2014 lasa teo ka hatramin’izao. Tao anatin’izay ihany anefa no nisian’ny fahamaizan’ny trano 26 tafo tsy nisy azo niraisina na dia kely aza. Ny mpiara-monina no mifanome tànana an’ireo fianakaviana maro traboina. Efa amam-polon-taona maro no tsy mba nisy mpitsidika ity kaominina ity na dia mahavokatra vary, kafe, fary aza indindra moa ny fananany volamena tsara indrindra. Miantso ny fanjakana foibe Atoa Oela mponina any an-toerana, hany afaka mivoaka ny tanàna mitondra ny hafatry ny mponina ny mba hijerena haingana izao tranga misy izao, fa mahatsiaro ho irery tsy mba misy mpijery izy ireo.
CATHY