Nafangaron’ny olona tamin’ny mpamaky trano. Nosamborina ary nofatorana tongotra aman-tànana. Nalaina sary avy eo ary naparitaka fa olon-dratsy. Izany no nanjo ny mpiasan’ny Jirama iray izay nanatontosa ny asany andavan’andro dia ny fitsirihina « compteur » izany. Efa olon-dehibe ilay rangahy saingy tsy nanànana antra noho ny tahotra fa mpangalatra izy. Saingy tsy izay velively ny momba azy satria rehefa nohamarinina tamin’ny foiben’ny orinasa dia fantatra fa tena mpiasa ao tokoa izy. Navotsotra taorian’izay. Ny tranga toy izao dia mbola manamafy ihany ny tsy fisian’ny fifampitokisana intsony eo amin’ny samy vahoaka sy mpiara-monina. Toamasina rahateo no mitàna ny laharana voalohany amin’ny faritra menan’ny tsy fandriampahalemana hany ka vao mainka mitombo io fahamailoan’ny tsirairay io. Miteraka olana lehibe ho an’ireo olona miasa izay mila miditra an-tokontany na tranon’olona izany. Isan’izany ny mpiasan’ny Jirama sy ireo mpanao fanadihadiana momba ny antontanisa. Ho an’itsy orinasa voalohany rahateo dia vao mainka mifatratra any amin’ny mpiasa eny an-kianja ny fahasorenan’ny olona momba ny fahatapahan-jiro sy rano matetika loatra ary efa aman-taonany. Ireo mpiasa tsy manan-tsiny indray no lasa mizaka ny vokany ary mitady hiharan’ny fahatezeram-bahoaka hatrany.
D.R