
Omaly alahady tokony ho tamin’ny 1 ora latsaka kely tany, nisy lozam-pifamoivoizana niseho tsy lavitra ny tananan’i Behenjy, amin’ny lalam-pirenena faha-7 iny. Vokany, olona nandeha an-tongotra iray no maty voafaokan’ny “taxi-brousse”. Rehefa avy nandona io olona io ilay fiara Mazda dia nivarina tany anaty hantsana. Voalazan’ny vaovao fa naratra avokoa ny olona tao anatiny. Ireo nahita ny loza dia samy niteny fa vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga izao zavtra izao. Ny andro etsy an-daniny somary nisy orana, ka tsy maintsy ho malama ny làlana.
Fa mbola omaly ihany, loza roa samy hafa koa no niseho. Ny iray tety Andranotapahana. Mbola “taxi-brousse” ihany koa no niharan-doza. Tsy nisy kosa anefa ny aina nafoy fa maro ny mpandeha maratra. Izay tena nahatonga izany loza izany, tsy dia fantatra loatra fa efa mandeha ny fanadihadiana. Ny loza iray fahatelo, tany amin’ny lalam-pirenena faha-7 akaikin’ny tananan’i Sakaraha. Fiara mpitatitra iray indray koa no nidofotra tamina fiara kely. Potika tanteraka ity farany. Ny loharanom-baovao avy any an-toerana ihany koa no nahafantarana fa tsy nisy ny maty. Nisy ihany koa anefa ny naratra ary tsy maintsy nentina nanatona trano fitsaboana.
r.s.