
“Isan’ny mampirongatra ny vono olona mitam-piadiana, ny fanafihana mitam-basy, ny asan-dahalo ny fanamboarana basy vita tànana sy ny fitehirizana izany” hoy ny zandary. Ny andron’ny alarobia lasa teo dia sarona tao Marovana, fokontany Tsimandiarano, distrikan’i Mandoto ny lehilahy iray, izay voalaza fa nitana basy tsy ara-dalana. Rehefa nanao ny fanamarinam-baovao sy nahazo ny fahazoan-dalana tany amin’ny fitsarana ireo zandary dia nidina avy hatrany teny an-toerana nanao ny fisavana ny tranon’ity olona voatondro ity. Sarona tao aminy tokoa ny basy poleta iray vita gasy niaraka tamin’ny bala miisa roa. Marihana hoy ny vaovao fa tsy manana tartasy ara-dalana ahafahany mitazona izany fitaovam-piadiana izany tany aminy. Antony iray nisamborana azy teo no eo sy nanagiazana ilay fitaovana. Nentina natao famotorana avy hatrany moa ingahy ary atolotra ny Fampanoavana aorian’ny fakàna am-bavany azy. Nanamarika moa ny zandary fa “ ny olona rehetra dia afaka mitazona fitaovam-piadiana. Fa kosa mila manana fahazoan-dalana hividy sy mitazona izany. Toerana ara-dalàna no hividianana azy”.
m.L