- Publicité -
lundi, juin 2, 2025
AccueilFaits-DiversBazary kely Toamasina : Nahita fahamaizana ireo trano fivarotana “art Malagasy”

Bazary kely Toamasina : Nahita fahamaizana ireo trano fivarotana “art Malagasy”

Tranga tsy nisy nanampo ny firehetana tamin’ireo trano fivarotana tao Bazary kely Toamasina ny alahady ny paska teo tokony ny misasakalina hifoha ny alatsinain’ny paska. Maro ireo resa-be niely nandritra ny fanavotana ity tsena isany goavana eto Toamasina ity, satria tao ireo olona mipetraka manodidina no nilaza fa naheno fofona lasantsy talohan’ny firehetana. Saika ireo trano fivarotana “art Malagasy” ireto trano nirehitra ireto, izay tsy nisy niangana tamin’ny firehetana. Tonga avy hatrany teny an-toerana ny sampana mpamonjy voina sy hain-tranon’ny kaominina, ary tsy nitsahatra izy ireo raha tsy efa maty tanteraka ny afo ora maro taorian’ny firehetana. Nanampy ireo mpamonjy voina ihany koa ny vahoaka manodidina sy tompon’ny trano fivarotana naheno ny fahamaizana nandritra izany. Raha ny fanisana farany natao ny alatsinainy dia trano fivarotana 72 teo no may kila forehitra, na izany aza dia tsy mbola voakajy ny sandan’ny zavatra sy fananana may rehetra, noho ireo mpivarotra mampirina sy manidy ny entany ao anaty fivarotany. Efa mandeha ny fanadihadiana ara-keloka mikasika ity fahamaizana tao bazary kely ity ankehitriny, satria tsy mino ireo tompon’andraikitra fa hoe fahamaizana noho herinaratra ity nitranga ity, fa tsy maintsy nisy nandoro izany noho ny fitrangan’ny afo tonga dia ambovonana sy ireo tenin’ny mponina manodidina nanome fanazavana. Ho hita eo ny tohiny, satria raha vao naheno ny loza koa ny ben’ny Tanana sy ny mpiara-miasa aminy dia tonga nijery ny fahavoazana, ary tsy niala teny raha tsy efa maty tanteraka ny afo. Baiko koa no nomen’ny ben’ny Tanana amin’ny fanarenana ireo tsena may aorian’ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro ny filaminana, satria tsy avela ho simba sy may tahaka izao ity tsena goavana eto Toamasina ity. Ankoatra izay dia efa may tahaka izao koa ity tsena ity teo aloha, ka ireo tsena fanampiny teny amin’ny tany malalaka no may tamin’izay, izay an-tapitrisany maro ny entana kila forehitra tamin’izany.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici