- Publicité -
mercredi, avril 30, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohitsoa : Manjavona tsikelikely ny jiro nomen’ny sinoa

Ambohitsoa : Manjavona tsikelikely ny jiro nomen’ny sinoa

Jiro tsara tarehy sady tsy mila herinaratra satria mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Manazava ny làlana tokony ho roa kilaometatra izay avy eo Ambohitsoa ka mizotra any Ivanja. Misy andrin-jiro efa mifanaraka amin’izany ary tena sady nanatsara ny tanàna no nanazava ilay fotodrafitrasa. Nanaovana fitokanana manetriketrika ary feno manam-pahefana sy olom-boafidy ny fanomezana izany avy amin’ny sinoa tamin’ny martsa 2024. Indrisy anefa fa tsy nierina akory ny taona dia efa vitsy kely sisa no mipetraka satria nisy nangalatra. Efa miverina maizina indray ny ampahan-dàlana eny Ivanja izay iaraha-mahafantatra anefa fa anjakan’ny mpanao sinto-mahery raha vao maizina. Misy ny mahita fa manelingelina ireo mpanao ratsy ny fisian’ireo jiro ary dia nogafiana sady nangalarina. Nilaza ny lehiben’ny fokontany fa hamafisina ny vaomieran’ny fandriampahalemana eo an-toerana manoloana ity halatra misesy ity. Ankoatr’izay dia hamafisina ny fipetahan’ireo jiro mba tsy ho azo angalarina intsony. Betsaka ny toerana izay nametrahana ireny jiro mandeha amin’ny masoandro ireny teto an-drenivohitra. Isan’izany ny tetsy Faliarivo-Ampitatafika izay tena nazava sy toa ny an-dafy ny làlana rehefa nisy izany. Indrisy anefa fa ankehitriny dia tsy nisy niangana na ny iray aza ireo jiro efa ho an-jatony. Lasa hatramin’nu vatoaratra izay nilentika anaty tany anefa ary notazomina amin’ny « betôn ». Ny eny amin’ny rocade koa dia efa zara raha misy sisa noho ny halatra. Ekena ny fahantrana saingy tena tsy tia zavatra tsara mihitsy ve ny eto an-drenivohitra? Sady mahamenatra amin’ny mpanome ny zava-misy no mahasosotra satria taratry ny fiaraha-monina tsy mandeha amin’ny laoniny intsony. Heloka ny fanimbàna fananana iombonana ary mila mihetsika ny tompon’andraikitra amin’ny fiarovana azy ireny sy ny fikarohana ny olon-dratsy.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici