Feno taratasim-panjakana tao amin’ilay trano, saingy tatatasy hosoka. Feno modely ary efa vita fitombokase, mena mazava hoazy, no sady misy daty. Tao ny taratasy fanamarinam-ponenana, ny takelaka kara-panondro, ny taratasim-pitsaràna toa ny « casier judiciaire », ny taratasy avy amin’ny orinasa izay manamarina fanamarinan-kasa sy ny maro hafa. Eny fa na hatramin’ny naoty azo tamin’ny balalorea izay ny minisiteran’ny fampianarana ambony ihany no manome izany dia efa misy modely fenoina anarana fotsiny sisa tao amin’ilay trano. Amin’ny teny tokana dia efa orinasa mpanao hosoka taratasim-panjakana ilay toerana. Niainga tamin’ny olona nosamborin’ny polisy noho ny fampiasàna hosoka ny nahitàna izany. Nitohy ny fanadihadiana ary dia tonga tany amin’ny foibe nivoahan’ilay taratasy. An-kavitisiana ihany ny fanadihadiana mba lasa lavitra toy izany satria efa matetika loatra ny fampiasàna hosoka ary indraindray dia mijanona eo amin’ny olona sarona nampiasa izany ny mpitandro ny filaminana. Tamin’ity indray mitoraka ity dia nopotsirina ny voamason’ny tambajotra ary hita hatramin’ny orinasa kely. Ary dia tena be mpanatona tokoa ilay toerana, indrindra ho an’ireo tsy te-hisahirana sy mora mahazo. Amin’ny lafiny iray dia tokony hahatonga saina ny asam-panjakàna sasany ihany ny mampirongatra ny fampiasàna hosoka toy izao. Sao mba sahiranina loatra ny olona na koa hangalàna kolikoly hatrany vao mivoaka ny taratasy hangatahiny? Anjaran’ny tsirairay ny mandinika.
D.R
Manaporofo io fa tena misy ilay kolikoly any amin sehatra samihafa dia lasa mahazo laka mora foana ny fanaovana hosoka , na izany aza anefa tsy tsy tokony hatao io satria manimba firenena sy ny toe tsaina , indrindra ny ankizy tena tsy tokony hampafafatarina an ‘io hosoka io satria ry zareo no hitondra firenena rahatrizay