Nantsoiny ny ben’ny tanàna tao Imanombo (Androy) ny amin’ny fanapahan-keviny dia ny hanaterana ilay basy kalachnikov. Ary tena notanterahiny tokoa rehefa nomena fitokisana izy. Niaraka tamin’ny bala mbola nahafeno “cartouche” ilay basy. Nahatsiaro tena ho tena tery ny làlany ary tsy matory andro aman’alina noho ny fitaintainana sy fiovàna toerana matetika, izay no tena antony. Natrehin’ny zandary sy ny ben’ny tanàna ny fanaterana ny basy. Ny fanontaninana mipetraka dia ny hoe ahoana no nahazoany basy tena mahery vaika toa itony?
D.R