- Publicité -
mardi, mai 6, 2025
AccueilFaits-DiversFetin’ny asa maneran-tany Toamasina: Misafidy ny fambolen-kazo hatrany ny seranan-tsambo

Fetin’ny asa maneran-tany Toamasina: Misafidy ny fambolen-kazo hatrany ny seranan-tsambo

Isan-taona dia misafidy ny fambolen-kazo ao amin’ny “Parc Ivoloina” ny mpiasa eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Tamin’ity taona ity dia zanakazo 3.000 no novolen’ireo mpiasa, raha 2.500 izany tamin’ny taon-dasa. Araka ny fanazavan’ny mpiasa eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina dia famerenana ny alan’ny Ivoloina amin’ny laoniny izao hetsika izao, satria mihena saika isan-taona ny sakafon’ireo biby mivelona ao anatiny, nefa isan’ny mampidim-bola ho an’i Toamasina ity “Parc Ivoloina” ity amin’ny fotoan’ny hisin’ny mpizahantany avy any ivelany. Efa nanomboka ny taona 2018 no nisafidy ity fambolen-kazo ao amin’ny “Parc Ivoloina” ity ny mpiasa eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina, tsy mitsahatra mitombo isan-taona ny zanakazo volena mandritra izao fambolen-kazo izao, satria raha nanomboka tamin’ny 500 ny zanakazo dia mahatratra 3.000 izany tamin’ity taona 2025 ity. Araka ny fifandaminana eo amin’ny orinasa nahitana an’Atoa Jaonasy Bercmans mpisahana ny lafin’ny fiarovana sy tontolo iainana eo anion’ny seranan-tsambo, sy ny tale mpitantanana ny “Parc” nahitana an’Atoa Jaozandry Jean François avy amin’ny “Madagascar Fauna Group”, dia isaky ny enim-bolana ny fanaraha-mason’ny hazo novolena, ka soloina avy hatrany izay zanakazo maty. Ny tanjona amin’izao fiaraha-miasa izao, tahaka ny amin’io fikambanana sy orinasa hafa ihany koa, dia ny famerenana ny ala simba tahaka ny teo ao amin’ny “Parc Ivoloina.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici