- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversFarafangana : Andiana mpamono olona maty voatifitra

Farafangana : Andiana mpamono olona maty voatifitra

 « Ravelo » sy « Ernest », lasa any amin’ny varo-tsy mifody. Tsy araka ny anarana kosa i « Tsirava », azo sambo-belona ka efa nalefa nitorevaka any am-ponja, miandry ny fotoam-pitsaràna azy. Anisan’ireo tambajotran-jiolahy « mpamono olona » tsotr’izao, nampihorohoro ny distrikan’i Farafangana sy ny manodidina iny raha ry zalahy ireto, miaraka tamin’ireo ekipany, izay efa eo an-dalam-pikarohana amin’izao. Ny faran’ny herinandro teo izy ireo no nopaingorin’ny zandary tany amin’ny toeram-piafenany tany. Mbola niezaka nanohitra ireto mpitandro filaminana ihany anefa ka izao niafara tamin’ny rà latsaka sy fisamborana maivaivay izao. Raha ny fampitam-baovao azo dia niainga tamin’ny vono olona mahatsiravina nataon’izy ireo vao tsy ela akory ny fanadihadiana nataon’ireo zandary tany amin’iny ilany atsimo atsinanan’ny Nosy. Ny faramparan’ny volana teo tokoa mantsy dia tokatrano iray no voatafika, ao amin’izany tananan’Ambanimaso, ao amin’ny kaominina Ambalavato Nord. Vola manodidina ny dimy alina sy iray tapitrisa ariary no norobain’izy ireo ary novonoin’izy ireo ireo telo mianaka tompon-trano. Natao ny fanarahan-dia nataon’ireo mpitandro filaminana sy ny fokonolona ka iray tamin’ireo olon-dratsy no voasambotra. Fantatra fa mbola ao amin’io tanana io ihany ireo namany ka ny ampitso maraina no natao ny savahao. Nony tonga tamin’ny toerana izy ireo, izay voalaza fa misy ireo dahalo anefa ireo mpanara-dia tifitra variraraka avy hatrany nitsena azy ireo. Raikitra ny fifampitifira ka nahafaty ireo dahalo roa ireo ary io nahasamborana iray io. Efa tsy zoviana amin’ireo mpitandro filaminaan intsony izy ireo, satria efa malaza ratsy amin’ny resaka fanafihana mitam-piadiana sy vono olona. Heverina fa hitohy amin’ny fisamborana ireo naman’ireto efa maty sy azo sambo-belona ireto ny famotorana sy ny fanadihadiana, ahafahan’ireo mponina any an-toerana miaina sy mivelona am-pilaminana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici