- Publicité -
mardi, mai 20, 2025
AccueilFaits-DiversAlaotra : Mijojo toa saika isan’andro ny orana, maro ny tanimbary rakotry...

Alaotra : Mijojo toa saika isan’andro ny orana, maro ny tanimbary rakotry ny bedana

Toa iri-mahaory ny firotsaky ny ranon’orana aty Alaotra amin’izao fotoana izao. Raha   nanomboka ny krismasy teo, dia toa saika isan’andro ny fijojon’ny orana, ka nisy ireo toho-drano izay efa reradreraka no vaky, ny lakandrano mitondra ireo rano rahateo maro no tsentsina. Mitaraina arak’izany ireo mponina amin’ny toerana iva any amin’iny faritra Morarano sy ny manodidina iny, fa  rakotra rano avokoa ny tanimbary amin’izao fotoana izao. Raha mbola mitohy io ato ho ato dia atahorana ny voka-bary amin’ity taona ity. Ny faritra  avo toerana sasany indray dia nahazo tombony, satria ampy ho azy ireo ny ranon’orana  ka afaka miasa ara-dalana ny vahoaka. Na ny làlana na ireo tamboho dia betsaka no nirodana vokatry ny oram-be nikija tato ho ato, nisy mihitsy aza fahafatesan’ny omby lehibe iray  izay lasan’ny rano  ny faran’ny taona teo. Anisan’ny mbola olana amin’ny tanan-dehibe sasany ny tsy fanajana ny lalàna mifehy ny tanan-dehibe, ka eny ambony lakandrano no manao trano sy mamboly amin’ny sisin’ny tatatra  ka rehefa fahavaratra mitondra faisana hatrany fa tsentsina ny tatatra ary miakatra an-tanàna ny rano.

Janus R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser