- Publicité -
samedi, juin 7, 2025
AccueilFaits-DiversNamontana : Jiolahy maromaro namaky trano nodidinin’ny fokonolona

Namontana : Jiolahy maromaro namaky trano nodidinin’ny fokonolona

Ny marainan’ny alatsinainy, nisehoana vaky trano teny amin’ny faritr’i Namontana. Tokony ho tany amin’ny 3 ora tamin’izay. Efa fantatr’ireo mpangalatra fa tsy misy olona ao amin’ilay trano notetehany hovakiana. Tsy matory an-trano mantsy ny tompony fa mandeha miasa any ivelany rehefa alina ary maraina vao mody. Izany zavatra izany no nohararaotin’ireo olon-dratsy. Sendra ny tsy nampoiziny anefa ireto bandy satria tamin’ny ora namakian’ireo jiolahy ny tranony no tonga izy mivady. Efa nanomboka nitaona entana ry zalahy. Tsy notairin’izy ireo ireo mpangalatra fa lasa namoha moramora ny manodidina ny tompon’ny trano. Samy nivoaka ny rehetra ary nanomboka nihodidina ireo olon-dratsy. Avy hatrany dia natao ny fisamborana. Tratra ny iray tamin’ireto mpamaky trano fa afaka nandositra kosa ny roa. Tsy nisy ny alaharo fa avy hatrany dia niharan’ny daroka teo ilay voasambotra. Ny voavao no nahalalana fa naratra mafy tokoa ilay jiolahy. Efa tena leon’ny halatra vaky trano, famonoana olona ny mponina. Tetsy andaniny, efa nisy nampandre tamin’ny telefonina ny mpitandro filaminana. Tsy ela dia tonga izy ireo ary avy hatrany dia afaka nanakana ireo olona tsy hamely intsony. Ireo mpitandro filaminana ireo ihany avy eo no nanatitra an’ilay maratra tany amin’ny trano fitsaboana. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa voa mafy tokoa ilay izy ary mety atahorana ny ainy.

Raha somary nangina kely ny fandrobana tao anatin’ny fety, hita fa miseho lany sahady izany amin’izoa fotoana izao. Manginy fotsiny ny fanendahana, saika isaky ny hariva, amin’ny lalana mangina tsy be mpandalo. Tokony ho mailo hatrany ny rehetra indrindra ireo tsy maintsy mandeha alina fa tsy lavitra eny ry zalahy.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser