« Mikorontam-bolo, miboridana, mirenireny sy manakotaba amin’ny alina … Raha amin’ny saina tsy miangatra sy mahaolombelona dia voatondro avy hatrany fa mpamosavy izany. Kanefa, eo anatrehan’ny lalàna dia tsy misy hanaporofona izany ara-materialy ka sarotra be ny hilaza azy avy hatrany ho izany …» hoy ny nambaran’ny teo anivon’ny zandary, raha nanontaniana mahakasika ity tranga nahabe resaka tao Andilamena omaly ity. Ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy lasa teo tokoa dia nahatratra tovovavy manodidina ny 17 taona teo ho eo ireo miaramila tao amin’ny toby tao an-toerana. Araka ny voalaza etsy ambony dia nanakorontana tao izy io, niboridana tanteraka ary misarakorako volo ka notondroina ho mpamosavy avy hatrany. Norakofana lamba, nofatorana ary natolotra ny mpitandro filaminana ary notanana teny amin’ny teny amin’ny birao sy nanaovana fanafihadiana.
Rehefa nandeha ny famotorana, araka ny nambaran’ireo tompon’andraikitra dia toa tsy tompon’ny tenany rakalakely. « Isaky ny anontaniana izy dia tsy miteny tsy mivolana fa ny masony no adiridiriny ary esoriny ny akanjony (…) Raha aminay, manana olana ara-tsaina ity tovovavy ity », hoy ny zandary. Mazava ho azy moa izany fa navotsotra teny anivon’ny biraon’ny zandary ary nomena ny tompon’andraikitry ny fokontany. « Tsara ny manamarika, mba ho fampianarana ho an’ny rehetra fa tsy ny mpitandro filaminana (zandary na polisy) dia tsy mitazona na manao famotorana olona manana aretin-tsaina na adala. Ireo tompon’andraiki-panjakana eny ifotony (fokontany na boriborintany) no miandraikitra azy ireny ka ireo no mandray fepetra handefa azy any amin’ny tobim-pahasalamana miandraikitra izany », raha ny fanazavana nentin’ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandary tao Andilamena. Ka olona marary saina ary ve sa tena mpamosavy tokoa ity tratra ity ? Tsy fantatra hatreto …
m.L