Olona dimy be izao no indray maty nilatsahan’ny varatra tao amin’ny distrikan’ Antanifotsy ary olona ora hafa koa no maty natelin’ny rano.
Avy tsy an-kijanona ny orana talohan’ny faran’ny taona tao amin’ny distrikan’Antanifotsy, nahery vaika ny fiaviny ary narahina havandra izay voalaza fa nahatratra 14 sentimetatra teo ho eo ny hateviny. Tapitra potika avokoa ny voly raha ny fanazavana voaray. Fa ny tena zava-doza dia ny namoizana ain’olona 7 be izao nandritra io fikijan’ny orana io. Ny dimy tamin’izy ireo no fantatra fa maty nilatsahan’ny varatra, voalaza fa fianakaviana samy hafa izy ireo fa tsy tamina tokatrano iray akory. Roa hafa koa no maty natelin’ny ranontrambo tamin’io fotoana io. Nivatravatra ny orana, vetivetivy dia niakatra ny reniranon’i Onive, tsy maintsy makakivaky ity renirany ity anefa ireo olona roa ireo raha ny fanazavana hatrany. Indrisy anefa fa tsy tafita ireo olona fa maty natelin’ny rano.
Tonga nitsikidika sy nitsapa alahelo ireo niharam-boina ny olom-boafidy tao an-toerana ary nampanantena fa hitondra fanampiana ho an’ireo tantsaha izay potika fambolena.
Andry N.