- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversBekily : Fanafihan-dahalo nahafatesana miaramila

Bekily : Fanafihan-dahalo nahafatesana miaramila

Efa hita ny basy, mitohy ny fikarohana Fantatra fa nahetsika avokoa ireo toby manodidina, torak’izay ihany koa ireo mpitandro filaminana any an-toerana, hanampy isa ireo efa eny an-kianja hanao ny fanarahan-dia sy hikarohana ireo dahalo am-polony maro. Hatreto aloha, raha ny fampitam-baovao azo, ny basin’ireo miaramila roalahy avy eo anivon’ny Tafika, lavo an-tanim-piadiana no efa hitan’ireo mpanara-dia, ny harivan’ny talata lasa teo, rehefa nentin’ireo olon-dratsy taorian’ireo fifandonana roa nivaivay tao amin’ny kaominina Anivorano Mitsinjo, ao amin’ny distrikan’i Bekily. Raha tsiahiviana ny zava-nisy, miaramila roa ary olona efatra avy aty amin’ireo fokonolona mpanara-dia no lavon’ny balan’ireo dahalo rehefa nisy ny fifandonana teo amin’ny roa tonta. Ireo dahalo, izay tombanana manodidina ny 80 lahy any ho any, mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika dia avy nanafika ny tananan’Ambararata, ao amin’ny kaominina Sarisambo. Tamin’io fanafihana io dia fantatra fa efa nisy mponina iray tao an-toerana no maty voatifitra, ary omby am-polony maro no lasan’ireo dahalo. Nisy avy hatrany ny fanarahan-dia nataon’ireo fokonolona, nampian’ireo mpitandro filaminana ary tsy ela dia tratra ireo dahalo. Saingy raikitra ny fifandonana voalohany teo. Voalaza fa mpitandro filaminana telo ary sivily iray no voan’ny balan’ireo dahalo. Namoy ny ainy ireo miaramila roalahy sy ilay olon-tsotra iray, raha naratra mafy ary mbola manaraka fitsaboana ny iray tamin’ireo miaramila. Tao anatin’izay fifandonana mahery vaika izay no nangalan’ireo olon-dratsy ny basin’ireto mpitandro filaminana ireto. Mbola nitohy hatrany ny fanarahan-dia teo ary raikitra fanindroany indray ny fifandonana rehetra nifankatratra ireo henjehina sy ireo mpanenjika. Tamin’io fotoana io dia voalaza fa nisy roa tamin’ireo fokonolona no maty voatifitra indray. Na dia teo aza anefa izany, dia mbola nitohy hatrany ny fanarahan-dia sy ny fikarohana nataon’ireo mpitandro filaminana niampy ireo fokonolona tany an-toerana. « Natao ny fomba rehetra nanaovana ny fikarohana ka hita ireo basy anankiroa, izay napetrak’ireo olon-dratsy teo ambony fasana teny akaikin’ny Kizon’i Antsary » hoy ny fampitam-baovaon’ny zandary. Tsy hijanona hatreo anefa ny ezaka, raha ny vaovao hatrany fa tsy maintsy atao izay hikarohana ireto olon-dratsy ireto, ary tsy maintsy atao ny ezaka rehetra entina hiadiana amin’ny asan-dahalo hametrahana fandriam-pahalemana maharitra.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici