Tsy kely làlana ny mpisoloky ary miketrika hatrany izay hahazoany. Tetsy Talatavolondry dia niditra tao amin’ny ozinina fitotoam-bary iray ny roa lahy ary nilaza ho mpiasan’ny Jirama. « Nisy zavatra nokitihiny teo amin’ny ‘compteur’ ary nolazaina fa niendaka ny sisiny havia amin’ilay takelaka hazo nipetrahan’izany. Teo dia nilaza izy roalahy fa misy tsy milamina ilay fitaovana fikaontina izay herinaratra lany ary nanao izay nahitàna ny tena tompon’ny toerana » raha araka ny fanazavan’ny zandary. Rehefa tafahaona dia avy hatrany dia norahonan’ireo ilay ramatoa tompon’ny fitotoam-bary. « Tsy milamina ny ‘compteur’-nao ka ho tapahinay izao dia izao avy eo amin’ny fotony ny jironao. Tsy ho afaka hiasa intsony ny orinasanao ary hanaovanay tatitra », hoy ireo mpisoloky raha araka ny tatitry ny zandary. Raha mbola niezaka nanazava teo ilay ramatoa dia niantso olona tamin’ny finday izy roalahy ary voalaza fa Tale ao Ambohijatovo izany (mazava hoazy fa mbola sandoka entina hanaovana sarimihetsika hatrany). Ilay nantsoina koa dia mbola nanamafy ny fampihorohoroana nataon’izy roalahy, toa ny hoe : tapahina avy hatrany ny jiro, entina any Antananarivo ilay ramatoa ary higadra dimy taona sy handoa lamandy 30 tapitrisa Ariary. Tratran’ny tambabe ary dia nanaiky ny fandaminana ilay olona. Nanome vola mitentina 6.200.000 Ariary. Taorian’izay vao nandeha ny saina nanontany ireo mpiasa momba ny fihetsik’izy roalahy ary nanadihady ny manodidina. Rest lahatra izy fa voasoloky ary nametraka fitoriana tao amin’ny zandary tao Talatavolonondry. Natao ny fikarohana ary fantatra ny iray tamin’ireo roalahy. Nofandrihana ary voasambotra. Mbola sarona tany amin’ity lehilahy 30 taona ity avokoa na ny akanjo nanaovany na ny finday nampiasainy. Monina any Mahitsy izy ary miasa eo anivon’ny orinasa lehibe iray. Mpisoloky izany ny vadin’asany eto. Mbola karohina kosa ireo mpiray tsikombakomba aminy.
D.R