Nitrangana hain-trano mahatsiravina, teo amin’ny fokontany Ambodivoina, kaominina Ambohitrimanjaka, distrikan’Ambohidratrimo ny harivan’ny talata lasa teo. Ankoatry ny fitaovana sy ny ampahan’ny trano izay potika tanteraka avy nolalovan’ny afo, dia fantatra ihany koa fa lehilahy iray 69 taona no namoy ny ainy vokatr’izay, raha ny fanazavana azo hatrany.
Ny zava-nisy : tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany hariva teo no nahazo antso ny zandary, mahakasika ity hain-trano tany an-toerana ity. Nidina avy hatrany teny an-toerana izy ireo saingy efa voafehin’ireo fokonolona, izay samy niezaka tamin’ny famonoana ny afo ny fahamaizana. Na izany aza anefa, voalaza fa mbola nisy olona tavela tao amin’ny rihana faharoa izay efitra niaingan’ny afo. Indrisy fa tsy avotra intsony moa ity farany. May hatrany amin’ny 90 isan-jatony ny vatany, raha ny fanazavana azo hatrany, ary izay no nahatonga ny fahafatesany. Izy rahateo, raha ny angom-baovao, dia efa tsy salama ary efa tsy afa-mihetsika teo am-pandriana intsony, efa volana maromaro lasa izay. Ny antony nahatonga ny fahamaizana, raha ny fanazavana nentin’ireo mpitandro filaminana dia noho ny afon-tsigara tsy maty, tao amin’ilay niharam-boina, izay nahazo ireo entana mora nirehitra ary nahatonga izao fahamaizana nitarika fahafatesana izao. Nanao ny fizahana ifotony moa ireo mpitandro filaminana ary nandray an-tanana ny fanadihadiana ny tranga. Ny vatana mangatsiakan’ilay niharam-boina kosa dia efa nomena ny fianakaviana, taorian’ny fitsirihana nataon’ireo mpitsabo.
m.L