- Publicité -
lundi, mai 19, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : « Rehefa jiolahy dia jiolahy fa tsy arovana »

Toamasina : « Rehefa jiolahy dia jiolahy fa tsy arovana »

Ireo basy hita teny amin’ireo roalahy lavon’ny polisy.

Lehilahy roa no maty voatifitry ny polisy avy ao amin’ny FIP Toamasina rehefa nandeha ny fanadihadiana taorian’ny fitifirana polisy sy ny ankohonoany tao an-tranony, tao Andranomadio. Tsaroan’ny maro izany na dia efa tamin’ny 20 febroary aza, satria efa tafahoatra ny ataon’ny jiolahy ao an-toerana ary sahiny hatramin’ny manafika mpitandro ny filaminana. Maty voatifitra ny jiolahy roa antsoina hoe Rico sy Tony rehefa nahazo loharanom-baovao ny polisy mahakasika ny nitifitra ilay inspektera sy ny zanany ary nahafaty io farany. Nandritry ny fifampitifirana dia sarona teny amin’ireo jiolahy lavo ny basy Revolver GC27 Lux cal12/50 sy poleta marika Colt Mod 85 Auto, cal. 7,65mm. Mbola misy naman’ireo iray izay azo sambo-belona, momba ity raharaha ity. Nivoaka tamin’ny fahanginany ny fianakavian’ny maty ary nilaza fa tsy jiolahy ny havan’izy ireo voatifitra. Taorian’izany serasera izany anefa dia nisy mbola ao anatin’ny fianakaviana ihany koa nanambara saingy tsy nitonona anarana ary nilaza fa tena jiolahy ireo lavon’ny polisy. “Rehefa jiolahy dia jiolahy fa tsy arovana, hoy izy ireo. Notohizany fa nisy heloka bevava izay nahafaty olona tao anatin’ny raharaha ary tsy ilaina arak’izany ny fifampiarovana amin’ny ratsy. Ny polisy ao an-toerana izay koa dia nanamafy fa tsy nisy diso na ny kely aza ny angom-baovao azon’izy ireo momba ireo jiolahy talohan’ny nisamborana azy. Ny antony nampiasàna hery indray dia satria nitam-basy ireo olona roa ary nampiasa izany nandritry ny fisamborana. Tsy hanaonao foana hitifitra olona fahatany ny polisy avy ao amin’ny FIP izay tarihin’ny Komisera François Lapely raha tsy hita fa tena mafy ny ambana, raha ny fanazavàna azo. 

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici