Tsy misy izay tsy vaky vava ireo mpandalo amin’iny lalana antsinanan-tsena Sabotsy iny amin’ny fofona ratsy eny amin’ny manodidina eny. Manomboka eo ambaninin’ny pharamacie Vakinankaratra miakatra amin’ny Hopitaly Atsimo iny, miovoaka aty avaratsena akaikin’ny mpenety amoron-dalana. Tena tsy azo hiainana ny fofona avokan’ireo trano fivoahana sy lakan-drano feno maloto eny an-toerana eny indrindra rehefa aorian’ny orana.
Velon-taraina noho izany ny mponina eny amin’ny manodidina eny, indrindra ireo mpivarotra na anatin’ny tsena na ivelany. Tsy manam-pidiny izahay hoy ireo mpivarotra sy mpanety fa eo no toeram-piasana, satry mba hiaina amin’ny toerana madio sy milamina fa akory hatao. Ankoatra ny maha tsena iny faritra iny anefa, izany hoe lalana tena hivezivezen’ny mponina dia lalana mihazo ny tobim-pitsaboana CHRR ity lalana ity.
Raha tsy misy ny fepetra raisina amin’ity tranga ity dia ahiana ny mety hisian’ny valan’aretina eny amin’ny modidina eny raha tsy hoe efa zatra izany angaha ny mponina ka ho zary zatra sy miharitra izany ny vatana, tsikaritra fa saika mitapin’orona avokoa ireo mpandalo amin’ity toerana ity.
Andry N