Nifanenjehan’ny olona ary tsy namelàna raha tsy tapitra ny ainy. Lehilahy iray izay voarohirohy tao anatin’ny raharaha vono olona , nitranga tamin’ny 7 novambra tamin’ny taon-dasa no niharan’izany. Efa voasambotry ny zandary izy io ary notazonina tao amin’ny « violon », saingy tafaporitsaka tao, raha araka ny vaovao nampitain’ny mpitandro ny filaminana. Tao amin’ny fokontany Vatambaborana, kaominina ambanivohitra Marolambo no nisehoan’ity fitsaram-bahoaka ity. Isan’ny nahatezitra ny olona ny mbola namalian’ilay voarohirohy ho mpamono olona ireo nanenjika azy. Mbola tsy foana eto amintsika ny fitsaram-bahoaka, fanao izay efa tamin’ny fahagola no tena nahitana azy. Tsy misy ny ezaka fampahafantarana ny olona, fa heloka bevava ny fandatsahan-drà sy ny fanalàna ain’olombelona. Mazava raha mihamahazo vahana hatrany ny fitsaram-bahoaka, indrindra any amin’ny tontolo ambanivohitra. Jerem-potsiny sisa ny herisetra ary amin’ny lafiny iray koa dia toa manamaivana ny asan’ny mpitandro ny filaminana aza ny fahafatesan’ny mpanao heloka bevava indraindray. Saingy ny zon’olombelona dia tsy misy hasiny intsony rehefa misy ny tranga toa izao…
D.R