Tranga nahavalalina ny maro no niseho tao Maroambihy II, any amin’iny distrikan’i Sambava iny, ny voalohandohan’ny volana teo. Tovolahy iray, efa tsy nisy aina intsony no hita tao amin’ny tokantrano iray. Raha ny fizahana nataon’ireo mpitsabo dia fijanonan’ny fo tampoka no nahafaty ity farany. Fijanonan’ny fo vokatry ny fihinana ireo akora mampatanjaka amin’ny resaka firaisana ara-nofo, raha ny fizahana nataon’ireo mpitsabo, hoy ny fanazavana azo avy amin’ny mpitandro filaminana tany an-toerana. « Na dia efa ho roatokom-bolana lasa aza izay ilay tranga dia mbola manao ny fanadihadiana hatrany izahay eto anivon’ny zandary Sambava, satria nisy aina nafoy tao. Vao nampaniraka « element » izahay hidina any an-toerana, hanohy ny famotorana » hoy ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandary ao Sambava.
Tsara marihana fa ny marainan’ny alatsinainy 5 mai, tokony ho tamin’ny efatra ora maraina no nahazo azo ireo tompon’andraikitry tanana tao an-toerana mahakasika ity tovolahy, izay efa tsy nisy aina intsony teo am-pandriana ity. Natory tao an-tranon’ny sakaizany izy tamin’io alin’ny alahady io ary voalaza fa talohan’ny niarahan’izy ireo natory dia nihinana karazana akora sy fanafody mampatanjaka ny lehilahy. Ankevitry ny tsy nahatanty izany ny fony, raha teo ampanantanterahana ny zavatra nataony izy roa ary io nijanona tampoka io ny fony, izay nitondra azy tamin’ny fahafatesana mihitsy. Nidina teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy sy nanao ny fizahana ny razana ny mpitsabo, ny sefo fokontany niaraka tamin’ny mpitandro filaminana. Tamin’izay fotoana izay, mbola teo am-pikarakaraka ny razana ny fianakaviana ka tsy dia tena nisy loatra famotorana afaka natao hoy hatrany ny fanazavana azo.
m.L