- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanana : Mpivarotra volamena voaroba sy voadaroka

Maevatanana : Mpivarotra volamena voaroba sy voadaroka

Lehilahy iray, karazan’irony mpibizina volamena irony no nifanehitra tamin’ny jiolahy maromaro tao an-tampon-tananan’i Maevatanana tao omaly vao mangiran-dratsy. Naratra mafy vokatry ny daroka nahazo azy ity mpibizina ity. Lasa tamin’izany vola an-tapitrisany maro saika hividianana entana. Araka ny fantatra dia niala maraina saika handeha hivarotra ity lehilahy ity no sendra ireo olon-dratsy ireo. Tsy maintsy efa notilian’ireo jiolahy ity lehilahy ity, ka inoana fa efa nandrasan’izy ireo fotsiny ny lera nivoahany ny trano. Raha ny fampitam-baovao azo hatrany dia maizimaizina rahateo ny làlana nalehany tamin’izay fotoana, eny fa na dia efa somary maromaro ihany aza ny olona nifanaretsaka teny amin’ny làlana. Tsy fantatra mazava izay isan’ireo olon-dratsy. Avy hatrany dia daroka teny amin’ny hatony sy ny lohany no nihatra tamin’ity lehilahy ity. Tsy nahatsiaro tena, ka tamin’izany no nohararaotin’ireo olon-dratsy nakàna ny vola tany aminy. Efa manaraka fitsaboana ity lehilahy ity amin’izao, raha ny fanazavana azo hatrany ary efa tsy misy atahorana ny ainy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser