- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversMpamaky trano noraisim-potsiny : Ny iray nandrasana teo am-boditamboho, ny iray notsiponina tao...

Mpamaky trano noraisim-potsiny : Ny iray nandrasana teo am-boditamboho, ny iray notsiponina tao ambany fandriana

Azo lazaina fa « andro niditra » ho an’ireo mpangalatra sy mpamaky trano teny amin’iny faritra Ambohimanambola sy Masindray iny, mihitsy raha ny alahady lasa teo. Saika noraisim-potsiny avokoa ry zalahy, teo am-panantanterahana ny asa ratsiny. Ary ny tena mahatsikaiky dia notsimponina mora foana izy ireo, ny iray nandrasana fotsiny ny nivoahany tao an-trano niaraka tamin’ny entana halatra, ny iray kosa nosokirina avy tao ambany farafara, toerana hany hitany niafenana, rehefa tampi-dalan-kaleha, tsy nahita handosirana intsony ingahy.

Tranga teny Ambohimanambola, tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro be izao. Navela hanara-po tao amin’ilay trano novakiany mihitsy ingahy mpanao ratsy, nialoha ny niotazana tsimoramora, rehefa iny nivoaka iny, niaraka tamin’ilay entana nangalariny tao an-trano. Tamin’io fotoana io mantsy dia efa naharaka ny zava-nisy ny tompon-trano, raha vao nihaodihaody teo amin’ny manodidina fotsiny ilay tovolahy. Avy hatrany dia nampandre ny zandary ary tonga haingana ihany koa ireto farany nanara-maso ny zava-nisy. Tamin’io fotoana io mantsy dia nitady hevitra hidirana an-tsokosoko tao amin’ilay tokantrano ingahy. Tafiditra ihany nony farany ary nibata izay zakany, (fahitalavitra fisaka hoy ny vaovao), ary handeha hivoaka sy teo am-pitsambikinana ny varavarakely no nandrasan’ny tompon-trano sy ny mpitandro filaminana fotsiny. Tsy nisy hevitra, voaporofo ny ratsy natao. Notanana avy hatrany ary natolotra ny Fampanoavana taorian’izay.

Torak’izay ihany koa no nitranga teny Masindray, tamin’io alahady io ihany, tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro indray. Nisy nahita ny nitsofohany tao an-trano ary nampandrenesina ny zandary. Tonga ireto farany ary niara-niditra tao an-trano niaraka tamin’ny tompony. Noho ny fahatairana dia tsy nahita ny lalan-kombana sy ny lalan-kitsoahana intsony ingahy mpangalatra ka hany heriny sisa dia io niafina tao ambany fandriana io. Mazava ho azy, ny tohiny, dia toy ny lalan-kalehan’ireo mpanao ratsy ihany : biraon’ny zandary, Fampanoavana ary lala-mazava mihazo ny fonja, hiandrasana ny fitsaràna …

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici