- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversManandona Antsirabe : Pretra terantany vahiny iray namoy ny ainy

Manandona Antsirabe : Pretra terantany vahiny iray namoy ny ainy

Namono olona indray ny lalam-pirenena fahafito. Ny alarobia hariva, tokony ho tamin’ny efatra ora sy sasany tany ho any, nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teo amin’ny PK191+50, teo amin’ny toerana antsoina hoe Fihana, fokontany Ambohimirary, kaominina Manandona, distrikan’Antsirabe II. Fiara tsy mataho-dalana iray, izay nentina pretra terantany vahiany avy ao Fianarantsoa no nifandona tamin’ny fiarabe iray. Vokany, samy nahitàna fahapotehana avokoa na ilay fiarabe voadona na ilay fiara Pickup Mazda. Saingy ity farany no potika tanteraka ny lohany. Namoy ny ainy vokatry ny ratra mafy nahazo azy ny mpamily, ilay pretra, raha naratra mafy ary manaraka fitsaboana kosa ilay olona iray niaraka taminy, izay marihana fa terantany vahiny ihany koa.

Raha ny fampitam-baovaon’ny zandary dia tao anaty lala-mahitsy saingy nivaly fiolanana maivana no nisian’ilay loza. Avy any Fianarantsoa, handeha Antsirabe ilay fiara nitondra ireo relijiozy, raha ny mifanohitra amin’izay kosa ilay fiarabe. Teo amin’io fiolanana io, tsy nahatazona tsara ny havanany ity fiara tsy mataho-dalana ity ary io nifanehatra tampoka tamin’ilay fiarabe nifanena taminy. Somary mafimafy ihany ny fifandonana, raha ny fahasimbana nisy tamin’ireto fiara roa ireto, hoy hatrany ny vaovao. Tamin’io fotoana nitrangan’ny loza io ihany moa no tonga teny an-toerana ny zandary avy eo anivon’ny tobim-paritra misahana ny fiarovana ny fifamoivoizana (BPR), nijery ifotony ny zava-nisy sy nanampy tamin’ny famonjena ireo niharam-boina. Mbola samy naratra mafy avokoa mantsy ireo tao anaty fiara 4X4, ary nezahina haingana namonjy toeram-pitsaboana. Teny an-dalana hihazo ny hôpitaly anefa no namoy ny ainy ilay pretra, noho ny habetsaky ny rà very sy ny ratra nahazo azy. Ny BPR ao Antsirabe ihany moa no misahana ny fanadihadiana, mahakasika ity ny lozam-pifamoivoizana ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici