- Publicité -
samedi, juillet 19, 2025
AccueilFaits-DiversBizina rongony : 260 kilao tratra tany avaratra, 42 kitapo nodorana tany atsimo

Bizina rongony : 260 kilao tratra tany avaratra, 42 kitapo nodorana tany atsimo

Manamafy tanteraka ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina sy ireo rongony mahery vaika amin’izao ireo mpitandro filaminana. Indrindra moa fa ireo avy amin’ny faritra, izay azo lazaina fa loharano ipoiran’ireo rongony miparitaka eto am-povoan-tany. Ny fiandohan’ny herinandro teo araka izany dia rongony an-jatony kilao maromaro no sarona sy nodorana, tany amin’iny faritra Sofia sy tany amin’iny faritra Ihorombe iny.

Raha ny fampitam-baovao azo dia vokatra azon’ny teo anivon’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandary tao Sofia, taorian’ny hetsika manokana nataon’ireo mpitandro filaminana tany an-toerana, tao amin’ny distrikan’i Befandriana Avaratra sy tao Antsohihy. Rongony mahatratra teo amin’ny 12 gony,  izay milanja manodidina ny 180 kilao tany no sarona tao Ambodimanary Antsohihy, ny andron’ny alatsinainy teo  raha tafatsoaka, na dia nifanenjehana ihany aza ireo mpilanja. Torak’izany ihany koa ny tao Antsakanalabe, Befandriana Avaratra, ny andron’ny talata teo indray. Vaky nandositra ireo mpilanja « entana », rehefa nahita ireo zandary ary namela ireo rongony 4 gony izay milanja 80 kilao tany ho any. Nogiazana avokoa moa ireto zava-mahadomelina ireto, ary efa misokatra ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo izay mety ho tompony.

Fa ny tany amin’ny tapany Atsimon’ny Nosy iny kosa, ny alarobia teo, dia niroso tamin’ny famotehana tamin’ny alalan’ny fandoroana ireo rongony saron’ny pôlisy, tao Ihosy ny tompon’andraikitrim-panjakana tany an-toerana izay notarihan’ny tonia mpampanoa lalana eo anivon’ny tribonaly tao Ihosy. Tsiahivina fa ny 11 mey lasa teo no saron’ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena, tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny sy tao amin’ny fokontany Anadabo, kaominina ambanivohitr’Ankily ireto rongony mahatratra hatramin’ny 42 gony ireto, taorian’ny angom-baovao azon’izy ireo. Hatreto dia mbola ao anatin’ny fanadihadiana sy ny famotorana mikasika ny loharano nipoirany sy izay mety ao ambadik’izany ireo tompon’andraikitra. Marihina fa tamin’ny fotoana nahatratrana ireto zava-mahadomelina ireto ihany koa mantsy dia tafatsoaka ireo olona nitondra azy …

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici