- Publicité -
samedi, juin 7, 2025
AccueilFaits-DiversRN4 : Kamiao iray nivadika, naratra ny mpamily

RN4 : Kamiao iray nivadika, naratra ny mpamily

Nisehoana lozam-pifamoivoizana indray teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra PK 182+500, tao amin’ny toerana atao hoe: Mandikanamana/Andala-mahitsy, any amin’ny kaominina ambanivohitra Mahatsinjo ambony, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanana ny Alahady faha-25 May taona 2025 teo iny, tokony tamin’ny 01 ora tany ho any. Ny angom-vaovao voaray hatrany no nahalalana fa avy any Antananarivo hihazo any Mahajanga ity fiara kamiao iray nitondra zava-pisotro nivadika ity, izay somary niala lalana tao anaty fiolanana. Vokany: Naratra ilay mpamily nitondra ny fiara no efa nentina notsaboana tao amin’ny CSB2 Mahatsinjo ambony. Efa tazana eny amin’ny toerana nisehoan’ny loza kosa ny Zandary misahana ny fifamoivoizana eto Maevatanàna nanao ny fitsirihana ny zava-nitranga sy nanara-maso ny mety hisian’ny fanararaotana.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici