- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversFisamborana an’i Berija : Hita tao anaty findainy, fiketrehana asa fanakorontanana

Fisamborana an’i Berija : Hita tao anaty findainy, fiketrehana asa fanakorontanana

Nihazakazaka ny fanadihadiana. Omaly ihany dia efa nilaza ny mpitandro ny filaminana fa marobe ny porofo hita taorian’ny nisamborana azy…

Nosamborina vao maraina, tamin’ny lera voalohany hahazoana manatontosa didy fampisamborana i Berija Ravelomanantsoa, mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo sady matetika mpitarika fitokonana mba ho fiarovana ny zon’ny mpianatra. Saingy tamin’ity indray mitoraka ity dia zavatra hafa mihitsy izay, raha araka ny fanamarinana natao, tsy mifandraika amin’ny hetsiky ny mpianatra mihitsy, no anton’ny nangalan’ny zandarin’ny GSIS azy teny Ambohipo. « Nosamborina izy noho ny fanahiana fa ao anatin’ny mpisehatra momba ny asa fanakorontanana izay nitranga tato ho ato teto an-drenivohitra. » raha araka ny fanazavan’ny lehiben’ny mpitandro ny filaminana iray. Omaly ihany dia nandeha ny fanadihadiana azy ary isan’ny niompana betsaka tamin’ny finday nampiasainy izany. « Hita tao avokoa ny hafatra fohy sy ny antso isan-karazany avy amin’ny vondron’olona samihafa. Tsy nisy nofafany izany ary lasa porofo mivaingana momba ny asa fanakorontanana. Ao anatin’izany ny fanipazana ireo fantsika telozoro mamaky kodiarana tamin’iny faramparan’ny taona iny. Tao ihany koa ny momba ny tetika hanapoahana ny andrin-jiro tetsy Maharidaza », raha araka io loharanom-baovao mitovy io ihany. Karazan’olona maro manana andraikitra samihafa no hita tao anatin’ireo mpandefa hafatra fohy sy antso hita tao anaty findainy. Isan’ny voarohirohy voalohany ao anatin’izany ilay kolonely iray fantan-daza tamin’ny andron’ny tetezamita, izay hampanantsoina eny amin’ny borigadin’ny zandary misahana ny fanadihadiana heloka bevava anio. Izy dia nitantana ny hery manokana tamin’izany fotoana. Efa noravana izany saingy nisy fivoriana tampoka indray tamin’ny faramparan’ny taona teo. Nanomboka teo dia efa narahi-maso io vondrona io ary toa nanamarina ny anton’ilay fivoriana ity fahitàna ny findain’i Berija ity. Teny Ambohipo indray dia noheverin’ny maro fa ilay hetsika nitranga ny talata teo, na koa ny fidinana an-dalambe nataon’ny mpianatra, no heverin’ny maro ho antony nisamborana an’i Berija. Noheverin’ireo vavolombelona fa nofandrihany io namany io. « Nandatsahana rongony tao an-tranon’i Berija nandritra ny fisavana » raha araka ny fanazavan’izy ireo. Andrasana ny fivoaran’ny raharaha anio…

Didi R.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser