«Ronono mahavelona ny rehetra » io no loahevitra noraisina tamin’ity taona ity ho fanamarihana ny andro, tsy diso anjara tamin’i’zany ny teto Vakinankaratra, iray amin’ireo faritra isan’ny tena mamokatra ronono ary manome lanja ity seha-pihariana ity.
Raha tsiahivina tamin’ny andron’ny repoblika fahatelo no tena nahazo laka sy niroborobo fatratra ary nahafa-po ireo tantsaha sy mpandraharaha ary mpanjifa ny resaka ronono, taorian’ny fanonganam-panjakana niseho teto amin’ny firenena no saika efa potika tanteraka izy ity. Ny taoana 2022 no voalaza fa nanomboka nahazo sehatra indray ireo mpamokatra sy mpanodina ronono.
Roa andro no naharetan’ny fanamarihana ny andro manaren-tany ho an’ny ronono teto Antsirabe, tao amin’ny tokotanin’ny faritra Vakinankaratra no nananterahana azy nanomboka ny 31 May 2025 lasa teo. Andiany fahatelo ity nomarihana ity. Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny minisitry ny fambolena sy fiompiana Hajarison François Sergio, nambarany fa manana paikady ny eo anivon’ny ministera hampiroboroboina ny rojom-pihariana ronono, isan’izany ny atrikasa hotanterahina izay hamelomana indray ny tanjaky ny FIFAMANOR manampy betsaka ity sehatra ity.
Isan’ny mandray anjara amin’ny fampiodinana ny toe-karena ny seha-piharina ronono eto Vakinankaritra, mampitombo ny harikarena hoy ny governoran’ny faritra . Ny faritra moa izay niara nisalahy tamin’ireo vovonana mpisehatry ny ronono,ny MDB sy ny Profilait ao anatin’ny fandaharan’asa Afafi Centre vatsian’ny vondrona Eoropenina ara bola.
Andry N.