- Publicité -
samedi, juin 7, 2025
AccueilFaits-DiversCybercriminalité : Natao fanadihadiana ny filoha lefitry ny CENI

Cybercriminalité : Natao fanadihadiana ny filoha lefitry ny CENI

Tsy nijanona teo amin’ny fanadihadiana ny mpanao gazety Velo Ghislain ny raharaha momba ny famoahana vaovao tamin’ny tambajotra sosialy izay mahakasika ny mety hanovàna ny lalam-pifidianana. Nantsoina koa ny filoha lefitry ny CENI, Andriamalazaray Andoniaina noho izy « olona ahiahiana », arak’izay hita tao anatin’ny taratasy fampiantsoana azy. Fiantsoana maika satria tsy nisy daty sy ora voafaritra fa kosa nasaina nanatona ny sampana Cybercriminalité eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, ao amin’ny Toby Ratsimandrava izy, raha vantany vao azony ny taratasy fampiantsoana. Ary dia tontosa ny andron’ny talata teo izany. Niteraka resa-be avy hatrany teo anivon’ny tambajotra sosialy ny zava-nisy ary tao no namaky izany ho karazam-pamoretana ara-moraly. Voatsidika koa ny fahalalahana miteny sy maneho hevitra ary milaza vaovao, teboka izay mihemotra isan-taona i Madagasikara raha araka ny antontanisa sy mari-pandrefesana iraisam-pirenena. Raha faha-54 ny firenena tamin’ny taona 2018, ankehitriny kosa dia efa faha-113, izany hoe fito taona monja taty aoriana. Mbola ahiana hitohy midina izany amin’ny raharaha fampiantsoana mpanao gazety toa izao manjo an’i Velo Ghislain izao. Mbola betsaka ny tsy mahazo fa asa fikaroham-baovao ny asa fanaovan-gazety ary tsy voatery miandry ny loharanom-baovao ofisialy vao afaka mamoaka izany. Ary dia diso hatramin’ny fandrafetana lalàna indraindray vokatr’izany. Raha ny marina dia tsy misy ilàn’ny olom-pirenena manara-baovao ny mpanao gazety intsony raha hitatitra hatrany ny vaovao ofisialy hatrany no handrasàna amin’izy ireo. Indrindra amin’izao fisian’ny tambajotra sosialy izay haingana be dia miparitaka ny vaovao, na diso na marina…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici