Trano maromaro no nirodana, tato anatin’ny andro vitsivitsy nisian’ny rotsa-korana mahery vaika teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Iray tamin’izany ihany anefa no nisiana olona naratra vokatr’izay firodanana izay. Nitranga tetsy Ambohimitsimbina, ny alarobia alina lasa teo tokony ho tany amin’ny 12ora latsaka kely tany ho any. Mpianaka, renim-pianakaviana niaraka tamin’ny zanany vavy kely vao 2 taona teo ho eo monja, no indray tototry ny tany tamin’ny firodanan’ny tranon’izy ireo. Naratra vokatr’izany ilay ramatoa raha sempotra tao kosa ilay zazakely. Na dia ora-mikija aza ny alarobia alina teo, dia tsy nahasakana ireo manodidina hamonjy an’ireto fianakaviana niharam-boina ireto izany, raha vao nahare ny antsovonjin’ilay raim-pianakaviana. Tsy nampoizin’ireto fianakaviana ireo akory mantsy fa mety ho anisan’ireo trano maro nirodana noho ny hamandoana diso tafahoatra ny trano ipetrahany. Raha ny fanazavana azo mantsy dia ranon-tany nentin’ny rano avy any ambony no nirodana teo amin’ny tranon’izy ireo, ka nahatonga ny loza. Vantany vao niseho izany tranga izany, izy rehetra izay mbola tao anatin’ny torimaso avokoa. Tsy afa-nitsoaka tamin’ilay patsa iray tsy omby vava, ka taraiky tao ilay renim-pianakaviana sy ny zanany. Niantsovonjy avy hatrany ilay raim-pianakaviana ka nifanome tanana ny olona nisokitra ireo niharan-doza. Tonga teny an-toerana ihany koa ireo mpamonjy voina. Soa ihany fa ara-potoana ny fanavotana azy ireo, raha tsy izany dia tena mety ho ratsy ny niafarany. Mbola mikija ny orana. Tokony ho mailo hatrany ireo olona mipetraka amin’ireo trano, na tamboho efa nahazo taona ireny, na ihany koa manaiky hazobe, hisorohana ny loza mety hitranga tahak’izao.
m.L