- Publicité -
lundi, juin 16, 2025
AccueilFaits-DiversAndron’ny vadintany sy « commissaire priseur » : Fanatontoloana ny sehatry ny « intelligence artificielle »

Andron’ny vadintany sy « commissaire priseur » : Fanatontoloana ny sehatry ny « intelligence artificielle »

Ireo notolorana fanampiana.

Nankalaza ny andro maneran-tany ho an’ny vadintany sy ny kaomisera mpanao lavanty ireo teto amintsika ny alakamisy teo.  Ny lohahevitra tamin’izany dia « ny vadintany eo amin’ny fanatontolona ny ‘intelligence artificielle’ » izay efa tena mahazo vahana eran-tany ankehitriny. Hetsika ara-tsosialy no nankalazan’ireo vadintany Malagasy izany, ka nisy ny fanoloran’izy ireo fanampiana ara-tsakafo tao anaty harona, nahita zavatra maromaro, ireo olona sahirana mpatory an-dalam-be teto Toamasina, izay niarahan’ireo vadintany eo anatin’ny fivondronan’ny vadintany sy mpanao lavanty eto Madagasikara. Nahazo izany ireo olona mpatory an-dalam-be teny amoron-dranomasina sy ireo mpatory an-dalana izany aty an-tanana. Araka ny nambaran’ny filohany vadintany sy mpanao lavanty izay avy eto Toamasina, Me Andriatafaina, dia ny vadintany tsy mpanao asa soa fa mpananteraka didim-pitsarana sy mpampiditra fanomboana ady amin’ny fitsarana, nefa mijery koa ny maha-olona na eo amin’ny tena asany na eo amin’ny fiainany andavanandro. Nambara koa nandritra ity andro eran-tany ho an’ny vadintany sy mpanao lavanty ity, dia aoka tohizana asa tsara natao hatramin’izay satria tsy nahita sy nahenoana mihintsy hoe vadintany voaroiroy amin’ny kolikoly sy ny zavatra hafa mifandraika tamin’izy izy ireo ny taona lasa iny. Miisa 164 izy ireo manerana ny Nosy ankoatra ireo mpanaraka fianaran’asa, ka saika ahitana azy ireo ny distrika misy eto Madagasikara sy ireo misy fitsarana ambaratonga voalohany rehetra manerana ny Nosy. Mpikambana eo anivon’ny vondromben’ny vadintany sy mpanao lavanty eran-tany koa izy ireo, raha tamin’ny taona 1950 no nitsanganan’izy ireo voalohany teto amintsika. Tena mpiara-miasa amin’ny fitsarana ny vadintany sy ny mpanao lavanty, ka tsy maintsy manara-dalana amin’ny asany izany izy ireo.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici