
Novonoina fa tsy maty. Tsara fitahiana ilay zaza. Teo amin’ny tendany no notsatohan’ireo tsy vanona tamin’ny hety. Zaza vao fito volana izy io. Ny voarohirohy ho nahavanon-doza dia ny raikeliny ary niray tsikombakomba ny reniny. Toa izao ny zava-nitranga. Nisy olona izay voalaza fa hanaterana ilay zaza. Tsy tonga io olona io tamin’ny fotoana nifanomezana, ilay raikeliny no nitondra azy. Taorian’izay dia nentin’ilay lehilahy lavitra ilay zaza ary notsatohan’ny tamin’ny hety teo amin’ny tendany. Olona sendra nandalo no nahita zaza mitomamy ary naratra mafy tao anaty kirihitr’ala iray tao Ambohimalaza. Nikoropaka ny rehetra ary nampanantsoina ny manam-pahefana, ny fiadidiana ny tanàna sy ny zandary. Nentina haingana tao amin’ny CSB2 tao an-toerana. Vita izay dia nentina tany amin’ny hopitaly Ambohimangakely indray.

Izany dia mba ho fanavotàna ny ainy aloha satria efa reraka ilay zaza. Taorian’izany dia nalefa teny amin’ny Hjra amin’izay ary nodidiana. Avotra soa aman-tsara ilay zazakely. Nandray an-tànana avokoa ny rehetra, ny ben’ny tanàn’Ambohimalaza sy ny borigady tao an-toerana tamin’ny famonjena sy ny lany rehetra hatreo. Ny zandary indray dia ny alin’ny zoma ihany dia efa nanomboka nikaroka vaovao tetsy sy teroa momba ny nahavanon-doza. Ny ampitson’iny dia efa nahitam-bokany izany : voasambotra izy mivady. Tsy mbola nijanona teo ny fanadihadiana satria omaly dia mbola nisesy ny fisavàna trano mba hahitàna ny marina momba ity fikasàna hamono zazakely ity. Hatreto aloha dia tsy nisy nipika ny fanadihadiana na dia mihazakazaka aza. Ny azo eritreretina dia saika hamidy io zaza ary rehefa tsy hita ny olona dia novonoina. Mbola ny fanadihadiana no hamaritra izany na tsia. Etsy ankilan’izany, betsaka ny tohina ary nanome fanampiana ilay zazakely.

Noraisin’ny fikambanan’ny Masera La Miséricorde ny zaza ary ny ministeran’ny fahasalamana kosa no niantoka ny fitsaboana azy rehetra. Marobe koa ireo nanome fanampiana raha vao nahita ny tranga, indrindra tamin’ny tambajotra sosialy. Ny eo anivon’ny zandarimaria etsy Ambohimalaza dia tapa-kevitry ny nandalina tanteraka ity tranga ity. Hatramin’ny “vidéosurveillance” sy izay mety ho porofo rehetra hahitàna ny ao ambadiky ny famonoana dia nahetsika avokoa. Ireo mpivady kosa dia notazomina sy nohadihadiana nanomboka ny asabotsy alina teo.
D.R
Mampalahelo ny tranga toy izao, manamporofo fa simba tanteraka ny fiarahamonina eto Antananarivo, na ny any amin ‘ny faritra koa aza dia tsy lavitra an ‘izany zavatra izany. Ny tolo tanana izay niseho koa anefa dia manamporofo , fa tena mbola ao tokoa ilay firaisan kina nisy teo amin ‘ny malagasy rehetra