- Publicité -
jeudi, juin 19, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : « Magistrat » sandoka sady manam-basy voasambotra

Ambatondrazaka : « Magistrat » sandoka sady manam-basy voasambotra

Notereny hanome volabe ny olona.

Sahiny ny niantso olona ary nolazainy fa manana olana ao amin’ny fitsaràna io farany. Sahiny koa ny nilaza fa mpitsara izy ary mila vola mba handaminana ny raharaha. Lehilahy iray izay nisandoka ho mpitsara no tompon’andraikitra tamin’izany. « Araka ny fitarainana nataon’ny olomboafidy iray teo aloha, tao Ambatondrazaka, dia nisy lehilahy niantso azy foana ary mitonona ho mpitsara miasa ao amin’ny tribonaly ao an-toerana. Nilaza ity lehilahy ity fa misy raharaha eny amin’ny fitsarana momba ity olomboafidy teo aloha ity, ka mba hampilamina izany dia nangataka vola 56 tapitrisa Ariary taminy io olona mitonona ho mpitsara io. Nampitahotra ity mpitsara sandoka ity fa raha tsy mandoa ny vola izay takiany ilay olomboafidy teo aloha dia hampidirina am-ponja avy hatrany», raha araka ny tatitry ny polisy. Tsy nilefitra anefa ilay olona saika « hovolosana » ary nametraka fitoriana teny amin’ny biraon’ny polisy. « Avy hatrany dia nandray ny andraikiny ireo polisy tao an-toerana nametraka fandrika niarahana tamin’ilay olomboafidy. Ny marainan’ny 14 jona 2025 dia voasambotra teny Avaradrova, Ambatondrazaka ny lehilahy iray 47 taona saika haka ny vola. Nahitana basy poleta iray marika italiana sy bala miisa 12 calibre 22 LR teny aminy, niampy bala calibre 12 miisa 6, tamin’ny fisavàna », raha araka ny polisy hatrany. Nosamborina ary nanokafana fanadihadiana avy hatrany ny tenany manoloana ny zava-nitranga. Ny vesatra voalohany izany dia ny fisolokiana avy amin’ny fanerena olona handoa vola, ny faharoa dia ny fisandohana andraikitra ho mpitsara ary ny fahatelo farany dia ny fitazomana basy izay mbola hohamarinin’ny mpanao fanadihadiana raha ananany fahazoan-dalana mazava na tsia na koa mety ho taratasy sandoka. Vesatra telo izay enjehin’ny lalàna famaizana avokoa ireo ary ho sarotra ny fiarovan-tena ho an’ilay rangahy.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici