Miroso hatrany ny asa fanitarana eo anivon’ny seranan-tsambo ny eto Toamasina amin’izao, araka ny fanazavan’ireo teknisianin’ny fanitarana ny seranana dia ny 56,41% ny asa dingana faharoa no vita hatreto raha efa vita 100% ny dingana voalohany.
Tafiditra amin’ity dingana faharoa ity ny fanamboarana ilay fihantsonan’ny sambo atao hoe “mole C4” izay mirefy 470m ary hirefy 94ha ny velarany amin’ny fahavitany. Araka ny fanazavan’ireo teknisiana nandray ny mpanao gazety dia manana halalina 16m izany. Araka ny tanjona dia handray entana anaty kaontenera 1 tapitrisa EVP, izany hoe refisina amin’ny 20 pieds ireo kaontenera, ny seranan-tsambo amin’ny fotoana ahavitany. Araha ny fanazavana hatrany dia manodidina 250.000 EVP na kaontenera no raisin’ny seranan-tsambo ankehitriny. Ho heverina ho vita amin’ny taona 2028 ny fanitarana ilay fiantsonan’ny sambo, ka aorian’izay dia afaka mandray ireo sambo goavana amin’ny fitondrana kaontenera na ilay antsoina hoe “Panamax” ny seranan-tsambon’i Toamasina. Afaka mandray sambo efatra indray mandeha ilay fiantsonana “mole C4” amin’ny fotoana ahavitany miaraka amin’ny “Mole C3”, ka hanamora ny fandraisana ireo sambo.
Voalaza hatrany fa ny 75% ny entana miditra eto Madagasikara no sahanin’i Seranan-tsambon’i Toamasina, ka hisy koa fanamboarana ireo toerana malalaka iray fametrahana ireo kaontenera maro be. Misy noho izany ny fananganana izany eo amin’ny 10ha eo izay antsoina hoe “Hastie”, ka azo hametrahana kaontenera 6.156 kaontenera indray mandeha ilay toerana. Hisy ny fitokanana ny ampahan’ity toerana malalaka fametrahana kaontenera ity ny taona 2026 araka ny fanazavana. Ao anatin’izany dia nanamboatra lalana vaovao hitaterana irao kaontenera maro be ireo ny fanjakana Malagasy amin’ny alalan’ny minisitera ny asa vaventy, izay manana lalan-droa mandraso sy miverina izany lalana amboarin’ny sinoa izany lalana izany. Hisy koa ny fanamboarana fiantsonan’ny fiara na “parking” ka hirefy 07ha izany. Misy noho izany ny fananganana fiarovana ny ranomasina, ka hanamboarana ny “beton de protection” izay milanja manodidina 18t ny iray.
Hiteraka fampandrosoana eto Toamasina ny fahavitan’ity seranan-tsambo ity, indrindra eo amin’ny resaka ara-barotra. Araka ny fanazavana hatrany dia eo amin’ny “Top 5” ato atsimon’ny sahara no misy ny seranan-tsambon’i Toamasina amin’izao, ka amin’ny fotoana fahavitany dia hanova ny laharan’i Madagasikara aty afrika atsimon’ny sahara izany.
Malala Didier