Mbola tsy hita fiafarana ny olona narary sy maty tao Antananarivo noho ny fanapozinana ara-tsakafo nitranga, dia nahitana fahapozinana ara-tsakafo indray ny teto Toamasina ny talata alina raha avy nihinana godrogodro nisy « chocolats » ny fianakaviana iray misy olona enina. Nitovy avokoa ny soritra aretina nitranga avy nihinana ilay godrogodro, dia reraka be, fivalalana, fanina, ary nangatsiaka tampoka. Tany amin’ny 8ora sy sasany alina no tonga teny amin’ny hopitaly be ireto narary, midika izany fa teo alohan’izany no nitranga ny aretina. Avy hatrany dia nahazo ny fitsaboana sahaza izany ireto narary, nahitana olo-dehibe efatra sy ankizy roa. Efa miha-salama tsara ireto olona tratran’ny fahapozinana ara-tsakafo raha nahazo ny fitsaboana izy ireo, saingy manao fanadiadiana ny fanjakana ahafantarana ny tena anton’ity fahapozinana ara-tsakafo ity, ka ho hita eo ny tena antony nahatonga izany marina. Mandeha anefa ny resaka amin’ny tambajotran-tserasera fa mety ny menaka nampiasana, na mety ny “chocolat” natao taminy no efa lany daty, na ny lafarinina nanaovana azy koa no mety lany daty. Ho hita eo ny fahamarinana aorian’ny fanadiadiana natao.
Malala Didier