- Publicité -
vendredi, juin 20, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana mpanatitra “versement” : Mpitandro filaminana ny iray tamin’iteo jiolahy

Fanafihana mpanatitra “versement” : Mpitandro filaminana ny iray tamin’iteo jiolahy

Tambazotran-jiolahy goavana iray no ravan’ny zandary avy eo anivon’ny vondron-tobil-paritra “Tana Ville”, ny herinandro lasa teo. Andian-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana izay manana tambajotra misandrahaka tokoa satria dia misy amin’izy ireo no mpitily, mpanao “renseignement”, mpanao ny “operation”, mpanome fitaovam-piadiana ary baikon’ny ati-doha mpametraka paik’ady. Ireto farany izay mbola tsy voasambotra hatreto, saingy heverina fa ho avy tsy ho ela raha ny fizotry ny famotorana ataon’ireo eo anivon’ny zandary. Na izany aza, efa maromaro ihany ireo voapaingotra ka anisan’izany ny mpitandro filaminana iray. Raha hiverenena ny zava-nisy, ny voalohandohan’ny volana teo, nitrangana fanafihana teo anoloan’ny banky iray tetsy Antsakaviro. Vola mintentina 80 tapitrisa ariary mahery no lasan’ireo jiolahy. Vola “versement” ana tranombarotra iray izay nokasaina hoharotsaka ao amin’io banky io. Nandeha moto ireto roalahy nanafika. Kodiaran-droa izay tsy sarotra nofantarina, tamin’ny alalan’ny “vidéosurveillance” ary nitarika tamin’ny fisamborana azy ireo herinandro taty aoriana. Tsy nijanona teo amin’izy roalahy ireto anefa ny fanadihadiana rehefa nizotra ny famotorana. Nahavoasaringorra olona dimy hafa izany : olona iray voalaza fa nitarika mivantana ny fanafihana ; mpiasa ao amin’ny toeram-pivarotana lasantsy ny iray, voatondro ho nanome vaovao ; olona telo hafa voalaza ho mpiara-miasa amin’ny asa ratsy, Nandritra ny famotorana dia hita fa tambajotra maty paika sy voaomana no nanatanteraka ilay fanafihana. Nanambara ireo voasambotra fa mbola tsy amin’izy ireo ny tena ati-doha nikotrika ilay fanafihana. Tetsy andanin’izay moa mbola misy ampaham-bola any amin’ny 50 tapitrisa ariary mahery any ho any no mbola tsy hita. Ireo ambiny kosa efa sarona tany amin’ireto voasambotra ireto, niaraka tamin’ny basy poleta “automatique” MAB calibre 7.65mm sy bala maromaro ary moto miisa roa, izay fentin’izy ireo manao ny asa ratsiny. Efa samy natolotra teny anivon’ny Fampanoavana moa izy ireo ary samy nadoboka am-ponja vonjimaika avokoa miandry ny fotoam-pitsaràna. Etsy andanin’izay, mbola mitohy kosa ny fanadihadiana lalina ayaon’ireo zandary entina hikarohana ity ati-doha nikotrika ity fanafihana ity sy ireo mpiray teti-dratsy aminy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici