
Rangahy eny amin’ny fonjaben’ny Tsiafahy. Ramatoa kosa eny Antanimora. Ny harivan’ny talata teo no nivoaka ny didy famonjana vonjimaika azy ireo rehefa nandalo teo anivon’ny fampanoavana tetsy Anosy. Fikasàna hamono zaza sy firaisana tsikombakomba ny amin’izany. Ireo no vesatra ara-pitsaràna nitazomana azy mivady. Raha tsiahivina fohy, zaza enim-bolana no hita nitomany ary nisy tsatoka zava-maranitra (hety) ny tendany. Mbola nijanona teo io nanindromana azy io ary efa very rà ilay zazakely. Nariana tao anaty kirihitr’ala mifanandrify amin’Andranonomby-Ambohimalaza izy. Nisy naheno ny tomany ary iny no nampandre ny manam-pahefana teo an-toerana. Nanao izay ho afany ny fiadidiana ny tanàn’Ambohimalaza sy ny zandary tao an-toerana tamin’ny famonjena ny ain’ilay zazakely antsoina hoe Josoa. Nandalo tamin’ny CSB roa samihafa izay samy nanao izay vitany izay vao nentina teny amin’ny Hjra ary avotra soa aman-tsara ihany noho ny fifamenoan’ny vonjy aina. Noraisin’ny fikambanàn’ny masera « La miséricorde » ny zaza. Ny zandary kosa ny alin’ny fanaterana ny zaza teny amin’ny hopitaly dia efa nitady izay mety ho tompon’antoka tamin’ity raharaha ity. Ny ampitson’iny dia efa voasambotry ny borigadin’Ambohimalaza ireo mpivady, raikely sy ny maman’ny zaza. Voalaza tao anatin’ny fakàna am-bavany fa fialonana ilay zaza no antony namonoan’ilay raikeliny azy. Nilaza ho tsy ampy fitiavana tamin’ilay ramatoa izay vao novadiany vao fito volana izy noho io zaza io. Noreseny lahatra tao ary ny hanomezana ny zaza amin’ny havany mba hirindran’ny fitiavana. Dia nanaiky koa ramatoa. Noforin-drangahy ny momba ilay handray ny zaza izay nolazainy ho eny Sabnam. Kinanjo lalan-kafa no nalehany ary novonoiny ny zaza. Saingy tsy maty ary avotra soa aman-tsara. Betsaka ny tohina ary nanampy ilay zaza avy amin’ny fanomezana. Mbola mila tolo-tànana ihany anefa raha ny fiheverana ny zava-misy satria teny mbola kely loatra (enim-bolana). Miandry ny fitsaràna azy ireo eny am-ponja ny mpivady nahavanon-doza.
D.R