Fahatairana ny an’ny fokonolona tao amin’ny kaominina Tanandava Imerimandroso raha nahita dongon-tany toa mihetsiketsika ny maraina’ny 01 janoary 2015 teo ,toa misy zavatra mikofokofoka. Niezaka nanatona ny rehetra ary nanala ny tany teo amboniny. Nikoropaka avokoa izy ireo raha nahita lehilahy niarina avy tao anaty tany, mbola mihoso-potaka ny tavany sy ny lohany. Niezaka nitsangana ity lehilahy ity saingy nidaraboka avy eo. Nanatona ny fokonolona ka nibata azy ary nakarina teo ambony kibota nalefa teny amin’ny tobim-pahasalamana tao Imerimandroso izy. Nalaky ihany ny fitsaboina ka nanomboka miresaka sy nitantara ilay lehilahy. Toa efa fanaon’ity tokantrano iray ity, hoy ny fanazavana, ny ady lava ao an-trano. Ny harivan’ny faha 31 desambre 2014 dia raikitra ny ady mivady sy ny disadisa tao amin’ilay tokantrano. Nokaramain-dramatoa vadiny ny zana-drahavaviny hamono ilay rangahy vadiny, ary dia nataon’itsy farany tokoa izany. Rehefa tsy nisy aina intsony ilay lehilahy dia nalevin’izy ireo tsy lavitra ny tanàna. Ny andro rahateo efa maizina. Araka ny fanazavan’ilay niharam-boina dia mbola tadidiny ilay zanaky ny zao-baviny nidaroka azy, dia izay no tsaroany farany. Araka ny loharanom-baovao voaray dia nety tsy mbola maty tsara angamba ilay lehilahy no nalevin’ireto mpamono, ny andro rahateo alina ary ny orana nilatsaka. Mety honatahotra ihany koa izy ireo sao misy mahita ka nikoropaka tamin’ny fandevenana . Tombatombana ihany ny an’ny rehetra fa ny zavatra fantatra aloha dia hoe efa maty ilay lehilahy no nalevina vokatry ny daroka sy vono nahazo azy, kanjo izao nitsangana tamin’ny maty izao ny maraina. Ny fanadihadiana sy ny fandraisana andraikitra ataon’ny mpitsabo sy ny mpitandro ny filaminana no ahitana ny marina . Asa na izao no atao hoe ‘Olona nalevim-belona ‘ na nanao ahoana fa lasa resabe ity tranga ity.
Janus R