Ela ny ela, hoy ny mpanara-baovao. Voasambotra tetsy Ampefiloha ilay ramatoa malaza ratsy amin’ny resaka fisolokiana famerim-bola anaty taxibe, ny andron’ny sabotsy teo, araka ny fampitam-baovaon’ny pôlisy.
Ny zava-nisy, raha ny vaovao hatrany dia nitranga savorovo tao anaty zotram-pitateraka iray teny an-toerana ka niditra an-tsehatra avy hatrany ireo pôlisin’ny fifamoivoizana. Ny antony dia tsy iza fa ilay ramatoa lehibe, fantatry ny maro amin’ny fisolokiana famerim-bola ao anaty taxibe. Efa nanao ny fanaony indray mantsy ilay ramatoa, kanjo nisy nahatsikaritra ary raikitra ny fifamaliana. « Efa nisy tamin’ireo mpandeha mihitsy no handeha hikasin-tanana azy» hoy ny pôlisy.
Tsiahivina fa efa maromaro ihany ireo mpanampin’ny mpamily voan’ity farany, hoy ny fampitam-baovao, ary vao tsy ela akory, ny herinandro lasa teo no tao anatin’izany savorovoro izany ity ramatoa ity, teny amin’iny faritra Ambodimita ity. Tranga izay nanjary nalaza tsy fidiny tao anaty tambazotra sosialy moa. Ary dia io niverina tao anaty zotra 138 tetsy Ampefiloha io. Mbola io ramatoa io ihany no fositra, hany ka voatery nisambotra azy ireo pôlisy. Marihana fa mitovy hatrany ny fomba fiadiny, entina hamelezana ireo mpanampin’ny mpamily. Mody mitaky famerim-bolan’ny saran-dalana izay tsy nomeny akory izy ka raha mamaly ilay resevera dia rahonany amin’ny fangalàna sary na mody miantso mpitandro filaminana amin’ny finday ny anao vavy.
Ao anatin’ny famotorana azy tanteraka moa ireo pôlisy amin’izao etsy amin’ny biraon’ny kaomisaria foibe etsy Tsaralalàna, ary heverina fa atolotra ny Fampanoavana anio ny raharaha.
m.L