Efa maty paika ny teti-dratsin’izy ireo, entina hanafihana ireo taxi-moto : ny iray mody manao mpandeha, ary ny roa manaraka avy ato aoriana amin’ny alalàn’ny môtô ihany. Soa fa tonga ara-potoana ireo mpitandro filaminana, ka rava maina ny tetika. Voasambotra avokoa izy telolahy, niaraka tamin’ireo fitaovana fentin’izy ireo manao ny asa ratsiny. Tranga teny amin’iny faritra Itaosy iny, ny herinandro lasa teo.
Raha ny fampitam-baovao azo tokoa dia efa tambazotra iray mihitsy ireo mpanafika môtô satria dia mipetrapetraka ny paik’ady izy ireo. Tamin’ity tranga ity dia mody nifamaly tamin’ny resaka saran-dalana izy ireo kanefa efa nivonona ny handrava ilay mpitondra taxi-moto. Tamin’io fotoana io dia nisy nampandre avy hatrany ireo zandary, rehefa nihamafy ny fifamaliana teo amin’ny roa tonta teny amin’iny faritra Ambohidrapeto iny. Efa nisy ny saran-dalana voafaritra mialohan’ny iangàna kanefa nony tonga teo amin’ny toerana dia raikitra ny fifamaliana. « Nanomboka nila vaniny mitady fomba hiadiana sy tsy handoavana ilay frais izy ireo. Ary manao izay fomba hitondrana ilay mpamilin’ilay taxi-moto any amin’ny mangingina ». Vantany vao nahita ireo zandary anefa dia nanao tari-dositra avy hatrany saingy voasambotra ihany. Nahitàna « cagoule mainty », ranonjavatra mahery vaika (bigboss vita gasy hoy ny zandary), ary angiba be (matraque) tao anatin’ny kodiaran-droan’ireto olon-dratsy ireto. Marihana fa « asa ratsy efa fanaon’izy ireo ny miketrika môtô an’ny taxi-moto toy izao ary efa misy mpanome faktiora hosoka miaramiasa amin’izy ireo » hoy hatrany ny zandary.
Telolahy moa ireo voasambotra ireto, izay notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana. Mbola mitohy kosa ny fanadihadiana, entina hikarohana ireo mpiray tsikombakomba amin’izy ireo, raha ny vaovao azo hatrany.
m.L