Nitrangan’ny fanafihana tamin’ny basy sy sabatra ny sekoly fanofanana relijioazy an’ny fiangonana katolika eto Toamasina, eny Analamalotra Toamasina II. Tranga niseho ny sabotsy alina nifoha ny alahady maraina tamin’ny 02 ora maraina, ka naratra mafy ilay relijiozy mpitam-bola tratran’ireo jiolahy tao. Tamin’ity fotoana ity mantsy dia tsy tao ireo mpianatra relijioazy ampianarina tao. Nandritra izany dia nisy ny vola lasan’ireto jiolahy nirongo basy sy sabatra, izay tsy fantatra ny sandany. Nitsambikina fefy ireto jiolahy tamin’ny fidirany tao ary avy hatrany dia ny toerana nisy ireto rejiliozy no nalehan’ireto jiolahy, ka tonga tamin’izao fitakiana vola izao. Nisy tamin’ireo jiolahy no mbola saika hananararaotra, fa ireo namany no nilaza fa « aoka izay fa efa maro ny azontsika, avelao izy fa mompera anie io e ! », dia lasa ireto jiolahy nahavanona izao fanafihana izao. Nametraka fitarainana teny amin’ny zandary moa ireo relijioza tamin’izoa fanafihana ny sekoly fanonana relijiozy izao ; ka ho eo ny tohin’ny raharaha.
Malala Didier