Hafa kely no nentin’ireto mivondrona ao anatin’ny fiombonana « Zara Fitiavana » fa nisy ny fanoloran’izy ireo sakafo ho an’ireo Malagasy sahirana mpatory an-dalam-be ho fankalazana ny andron’ny 26 jona. Firahan’ireo olona tsara sitra-po izy ireo nanao izao hetsika izao. Hetsika natao tao amin’ny EPP Maurice Guiyot Bazar be ary nahavory ireo sahirana mpatory an-dalam-be teto Toamasina. Sakafo mafana maraina toy ny vary amin’ny anana – sosisy – henabolina – mofo sy dite na kafe no nozairana. Niisa 643 ireo notolorana izany teto Toamasina ho fankalazana ny fetim-pirenena io, ary mankalaza ny faha-05 taona nisiany izy ireo ao anatin’izao hetsika fizarana sakafo ho an’ny sahirana izany; ary hitohy izany mandram-pisihan’ny fahafahana marina ho an’ny Malagasy. Tsy nanavahana loko politika ny fizarana natao fa izay tonga rehetra dia nomena avokoa satria Malagasy. Ny loha-hevitra nentina tamin’izao hetsika izao, araka ny nambaran’ny ramatoa mpikambana iray ao anatiny moa, dia ny hoe “Fitiavana sy Finiavana te-hizana” ho an’ny mpiara-belona no natao.
Malala Didier