Loza no nitranga tamin’ireto mpivarotra zava-misotro mahamamo eny amoron-dranomasin’i Toamasina renivohitra, eo ampitan’ny orinasa Auximad omaly tokony tamin’ny 4ora sy 30min tany ho any. Nitrangana firehetana mantsy ireo tranoheva fivarotana zava-pisotro misy alikaola antsoin’izy ireo hoe “stand Panama”, indrindra amin’ny alina sy faran’ny herinandro. Maromaro ireo trano eny amoron-dranomasina io saingy ireo trano 37 no may kila tsy azo noraisina, saingy tsy fantatra hatreto no niavian’ny fahamaizana. Misy milaza fa noho ny herinaratra; ao koa ireo miteny fa niniana natao izay mba hialan’ireto mpivarotra miala eny mba hanamboarana fivarotana manara-penitra hafa indray ho fitadiavam-bola. Raha vao nitranga ny loza dia nisy niantso ireo mpamonjy voina sy haitrano Toamasina, ka tonga avy hatrany izy ireo. Ka mba 37 ihany ireo trano may, fa raha tsy izany dia tsy fantatra izay niafaran’ny fahavoazana tamin’ireo tranoheva maro be misy eny. Maro koa ireo very entana teny noho ireo mpananararaotra ny fahavoazan’ny sasany, isan’ireny ireo zava-pisotro sy ireo entana maro, satria misy ireo manao ireo tranoheva no manao izany ho trano iainana an-davanandro mihitsy. An-tapitrisany maro ny fahavoazana hoy ny filohan’ny tranoheva eny amoron-dranomasina “Stand Panama”, ary ny ankamaroan’ny mpivarotra eny dia olona mindram-bola amin’ireo banky madinika eto Toamasina avokoa ny ankamaroany. Omaly maraina dia niezaka nanarina ny fahavoazana ireo mpivarotra may trano, mba tsy hisy haka ireo faritra misy azy ireo eny amoron-dranomasina.
Malala Didier