Tsy fangalarana akoho amam-borona ihany no tena talentan’Ingahy Cyrille sy ny namany fa rehefa halatra botry isan-karazany : vaky trano sy ny maro hafa. Ny andron’ny talata lasa teo, tapitra hatreo ny laza ratsin’ity « andrarezin’ny hala-botry », tany amin’iny distrikan’Ambatolampy ity hoy ny zandary rehefa nifanena tamin’ny zandary, izy sy ny ekipany. Efa maromaro ihany ireo velon-taraina ny amin’ny afitsok’izy ireo tany an-toerana. Ary raha vao misy resaka hala-botry sy vaky trano tao Ambatolampy sy ireo kaominina manodidina, dia voalaza fa tsy maintsy voatonona hatrany ny anaran’i Cyrille sy ny ekipany. Tsy mipetra-potsiny ny zandary any an-toerana, hoy hatrany ny vaovao fa manao halazalambo ity olona voalaza ity. Efa impiry voasambotra foana rahateo ingahy, nampidirina am-ponja saingy miverina amin’ny asa ratsiny hatrany. Voalazan’ny fampitam-baovao fa efa voasambotra ity farany ny taona 2023 noho ny resaka halatra akoho sy vorona. Nampidirina am-ponja ary nivoaka indray taorian’izay. Efa nifanehatra tamin’ny zandary indray ny volana martsa lasa teo, saingy ny namany no voasambotra sy nadoboka am-ponja saingy izy tenany tafaporitsaka. Voatonona tamin’ny resaka halatra sy vaky trano indray, ny volana jona, ary ny namany hatrany no voasambotra sy nidoboka am-ponja saingy izy mbola tafaporitsaka hatrany. Ny voalohan’ny volana jolay teo ingahy no re fa nihaodihaody tao amin’ny fokontany Ambodiriana. Ary tamin’ity indray mitoraka ity, dia tsy afa-nikofoka sy niporitsaka intsony. Voalaza mantsy fa rehefa nifanehatra tamin’ireo zandary ingahy sy ny ekipany dia nanao tari-dositra avy hatrany. Ary voatery nampijanonana sy nampiasàna fitaovana. Voatifitra tamin’izany ingahy Cyrille. Nitondra azy ho amin’ny fiainan-tsy hita rahateo ny bala nahavoa azy tamin’izay fotoana izay. Azo heverina fa afaka hiaina am-pilaminana amin’izay ireo mponina any an-toerana, noho izao vokatra izao, raha tsy hoe ho avy hanao valifatiny ireo ekipany … Saingy azo heverina fa efa eo an-dalam-pitsiponanana azy ireo ny mpitandro filaminana.
m.L